airtel

Sosialy

25-janv-2024

Fahatapahan-drano efa ho 3 volana

Raikitra indray ny grevy be teny Ambohipo

Sample post image

Raikitra indray omaly ny akandoro kodiarana sy fitokonana nataon’ny mpianatra

25-janv-2024

sy ny mponina eny Ambohipo noho ny tsy fisihan-drano. Nanakan-dàlana teo amin'ny « trois chemin » izy ireo noho ny tsy fahafaliany satria efa ho telo volana ny rano no tsy nandeha teny an-toerana, raha ny fanazavana. Nanao fangatahana tao amin’ny biraon'ny « Administration CROU-A » ireo mpianatra saingy tsy nahitam-baliny ny fitakiana, ka dia niroso tamin’ny fitokonana sy fandorana kodiarana. Tsy vao sambany io fa efa matetika, saingy tsy misy ny vahaolana maharitra. Tsy eny Ambohipo ihany, fa saika manerana ny tanàna io olana io, ary ny mahagaga dia ao na ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra maha be ny rotsak’orana aza izao no miseho. Tahaka ny mahazatra dia raha rano mandeha tsara no andrasana dia mpitandro ny filaminana mpandrava grevy no nalefa teny an-toerana, saingy tsy nisy aloha ny voasambotra hatramin’ny ora nanoratanay. Mitaky vahaolana maharitra ireo mpianatra. Mitombo ny mponina, fa ny fotodrafitrasa ny eo ihany no eo, ary na nisy aza ny tetikasa fanajariana ireo fatson-drano toa tsy hita izay tena vokany. Vola tsy toko tsy forohana manodidina ny 300 hatramin’ny 500 miliara isan-taona no hanohanana ny Jirama, saingy mbola olana mandavan-taona ny delestazy sy ny fahatapahan-drano. Tsy efa nahavitana toeram-panadiovana rano roa na telo ve raha tena natao laharam-pahamehana ny famahana olana fa tsy niaina tamin’ny vonjy tavanandro lava ?
Toky R
 

Dans la même rubrique