airtel

Sosialy

22-sept-2021

Sosialy

Fahazoana trano eny Tanamasoandro Mandoa 100.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona Fahazoana trano eny Tanamasoandro

Sample post image

Mandoa 100.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona100.000 hatramin’ny 120.000 ariary isam-bolana mandritry ny 15 taona ny vidin’ny trano eny amin’ireo tanàna vaovao,

22-sept-2021

 raha ny fanazavan’ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao, Gérard Andriamanohisoa, omaly.Ity ilay antsoina hoe vente-location izany hoe mandoa hofantrano amina ftoana voafaitra ilay olona ary lasa tompony any am-parany. Tafiditra ao anatin’izany ny Tanamasoandro, hoy ny fanazavana. Araka izany dia azo ofaina mandra-paha voahefa ny vidiny manontolo ireo fonenana sosialy na « logements sociaux » hatsangana anaty tanana vaovao. Fonenana natao hifanaraka amin’ny fidiram-bolan’ny sarambabem-bahoaka no hapetraka. Miisa 50.000 izany, raha ny voafaritra ao anaty politika ankapoben’ny fanjakana. Omena ireo tokantrano mahafeno ny fepetra ireo fonenana, isany ny eny Imerintsiatosika, ka rehefa feno ny 15 taona ipetrahany ao dia lasany tanteraka ny fonenana. Ho ampahafantarina tsy ho ela ireo fepetra sy dingana atao raha te hahazo fonenana eny amin’ireo tanana vaovao. Toy izany koa ny eny Ivato sy ireo toeran-kafa izay efa an-dalana ny famitana tanteraka ny tetikasa. Tena ao anaty filana mafy fonenana amin’izao fotoana izao I Madagasikara. Mahatratra hatrany amin’ny 700.000 isa ankehitriny ny fonenanana angatahana manerana ny nosy. Ho an’ny Tanamasoandro eny Imerintsiatosika dia fonenana sosialy miisa 320 no ho tafatsangana mandra-pahatapitry ny taona, hoy hatrany ity sekreteram-panjakana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap