airtel

Sosialy

31-janv-2024

Fako be etsy Anosipatrana

Esorina ihany rehefa nangotraka ny tsikera

Sample post image

Nampikolay ny olona ny fako etsy Anosipatrana manamorina ny « digue »,

31-janv-2024

izay nisavovona tanteraka tahaka ny tendrombohitra sy havoana. Rakotra tanteraka, ka voabahana hatramin’ny ampahan’ny làlana, niteraka fitohanana lavareny, nanaimbo tanteraka ny tanàna, miteraka tsy fahasalamana,… Midika fa tsy nesorina fa nakisaka teny ny fakon’Antananarivo. Rehefa nandeha ny fanairana maro samihafa, nisy hatramin’ny fanamboarana ny sary fako nampiarahana tamin’ny Filoham-pirenena mivady mamboly hazo, dia tonga tany am-poto-tsofin’ny mpitondra ihany, ka nidina avy hatrany teny an-toerana ny governoran’Analamanga ny andron’ny omaly. « Noho ny olanan'ny lalana teny Andralanitra dia nariana vonjimaika teto Anosipatrana ny fako. Amin'izao fotoana izao dia efa miverina amin'ny laoniny ny fidirana eny Andralanitra ka ajanonona ny fanariana fako eto Anosipatrana, ary efa miroso amin'ny fanadiovana ety an-toerana isika izao. Tapaka mandritry ny 24 ora mahery ny fifamoivoizana ety noho izany. Amin'ny maha tompon'andraikitra voalohany ahy eto amin'ny Faritra Analamanga dia mametraka ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana aterak'izany. », hoy ny governora Hery Rasoamaromaka, izay nanamarika fa misy tsy fahaiza-manao tamin’ny fanariana ny fako teny izay lasa nanakan-dalana. Nilaza moa ity farany, fa tsy hoe : tsy firaharahiana ilay izy, fa niaraha-nahita ny orana, kanefa ny fako nisavovona. Tafita ny hafatra izany ary nikorapaka ny fanjakana hamaha ny olana. Midika fa misy ihany ny azo atao ho famahana olana, ka irariana ny hisian’ny vahaolana maharitra, ary handeha ara-potoana ny asa fa tsy hiandrasana tabataba lalandava. Efa firy volana tokoa moa no niteraka fahasorenana sy fanairana ny fakon’Antananarivo, saingy toa nanaovana bemarenina teo, ary fako misavovona moa ny lova navelan’ny ben’ny tanàna izay lasa minisitry ny fanajariana ny tany. Nandeha ny fampanantenana samihafa fa hampiana 38 ny kamio an’ny SMA, ho avy ny kamio sy fitaovana avy amin’ny Japonais amin’izao fiandohan’ny janoary izao,… Ny somary mahagaga dia ny hoe : amin’ireny hetsika ara-miaramila handravana hetsika ara-politika ireny, tena hary fitaovana, misy fiara, misy solika, misy vola,… fa rehefa hanala ny fakon’Antananarivo toa tsy izay ny sary. Aiza ilay fampanantenan’ny Filoha ankehitriny tamin’ny 2019 iray andro nialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna hoe : fa tsara kokoa raha olona mitovy loko politika amin’ny fitondrana no mitondra ? Mby aiza ilay hoe homena 11 miliara Ar isan-taona ny kaominina ? Moa tsy amin’izao vanim-potoana itondran’ny volomboasary izao no potika indrindra Antananarivo hatramin’ny naha Antananarivo azy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap