airtel

Sosialy

10-déc-2024

Fako miparitaka, rano miakatra, fitohanana

Tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana

Sample post image

10-déc-2024

Heverina ho tena maika amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra, ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana ireo mbola olana tena mitoetra, indrindra, rehefa fahavaratra, eto amin’ity renivohitr’i Gasikara ity. Tsy inona moa ireo fa ny fako miparitaka, toy izay efa nambara hoe misy amin’ireo olompirenena sasany, izay tsy vitsy, no toy ny manana fahafinaretana mihitsy hanary ny fakony eo ivelan’ny dabam-pako iombonana eo fa tsy manao izany ao anatiny. Ireny avy eo no entin’ny riaka rehefa avy ny orana ary manentsina ny tatatra sy lalana tokony hivoahan’ny rano samihafa. Olana faharoa, noho izany, ny rano miakatra vokatr’io rotsak’orana eto Antananarivo renivohitra io. Efa ahitana matetika izany sahady aza moa na dia andro maina be izao aza ireo faritra sasantsasany toy iny Andravoahangy, Besarety hatreny Soanierana eny. Ny eny amin’ireo faritra iva moa no tena mijaly amin’iny lafiny iny. Ny fifamoivoizana mitohana moa dia mbola mampikaikaika hatramin’izao manomboka eo Analakely hatrany Ankorondrano na koa Manjakaray hatrany Ambodivona sy ireo zotra na «axes», izay mahagaga, fa tena feno mpitandro filaminana natao handamina izany mihitsy. Fako miparitaka, rano miakatra, fifamoivoizana mitohana; tena maika ny fisorohana mialohan’ny rotsak’orana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap