airtel

Sosialy

30-juin-2026

Sosialy

Famahana ny olan’ny mpiasa malagasy Hihaona amin’ny

Sample post image

praiminisitra ny Randrana sendikaly

30-juin-2026

Tafaverina eto an-tanindrazana ankehitriny ireo sendikan’ny mpiasa nisolo tena ny mpiasa malagasy nandritry ny fihaonana an-tampony iraisampirenena momba ny asa andiany faha 114 natao tany Genève, Soisa, farany teo. Nilaza ny solontena avy ao amin’ny Randrana sendikaly, izay sady sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, fa noresahina mivantana tanatin’ny kabarin’ny tenany manokana ny resaka fitakiana momba ny karama eto Madagasikara. Tsy inona io, hoy izy, fa ilay didim-panjakàna momba ny karama farany ambany, izay efa ny 8 jona tany ho any no nampiaka-peo momba izany tany amin’ny sehatra ambony ny mpiasa malagasy. Tapitra ity ny volana jona, mbola tsy nivoaka ihany ilay didim-panjakàna izay mikasika ny karama farany ambany aty amin’ny sehatra tsy miankina. Raha iny resaka 300.000 Ariary ho ampiharina ny volana martsa teo iny dia sosonkevitra tsy misy idiran’ny Randrana sendikaly. Sosonkevitry ny mpampiasa sy sendika sasany tany iny. Rehefa mafy be ny fitakiana taty amin’ny Randrana dia nivoaka indray ny sosonkevitra hoe 360.000 Ariary. Ny niaingàna tamin’io dia hoe matoa nitolona teny an-kianja dia tokony ho tsaratsara kokoa noho ny teo aloha no iainana ankehitriny. Nanao fampiakaran-karama 25% aty amin’ny sehatra tsy miankina ny teo aloha. Niala ilay teo aloha dia hanao latsak’iny ho 14% fotsiny ve ianao? Izay no anton’ilay sosonkevitra hoe tokony hihoatran’ny 27% io fampakaràn-karama io! Nanantena ny fanjakàna hiresaka izany ny olona ny 1 may teo fa tsy naheno. Ny mpampiasa tsy niara-nivory tamin’ny fanjakàna sy ny solontenan’ny mpiasa fa taratasy milaza fotsiny no nalefany hoe ity 360.000 Ariary ity no mety aminay. Gaga ihany koa ny Randrana tany am-pivoriana tany an-tany lavitra tany hoe misy sendika tokony hiara-hisolo tena hiady ho an’ny mpiasa aminy tany Genève no niara-nivory an-tsokosoko tamin’ny mpampiasa tany dia nanaiky ny fampiakaran-karama 300.000 Ariary manomboka volana martsa ho lasa 335.000 Ariary amin’ny oktobra. Ampilendalendaina hoe efa nisy tamby na «rappel» tokony noraisina nanomboka ny volana martsa. 37.200 Ariary izany no tokony ho fiakarana raha oharina amin’ny hoe 226.800 Ariary no karama farany ambany ho lasa 300.000 Ariary. Iny no ampilendalendaina hoe hiampy 4 volana dia 150.000 Ariary eo izany no fitambaran’izay «rappel» izay. Raha ohatra ka ilay 360.000 Ariary nefa no ampiharina, na dia 2 volana fotsiny aza ny «rappel», dia efa manodidina ny 180.000 Ariary. Tsy voavaha eo anivon’ny minisiteran’ny asa intsony ny olan’ny mpiasa malagasy ka nanapa-kevitra ny Randrana sendika ny hihaona amin’ny praiminisitra eny Mahazoarivo ny alakamisy izao, hoy hatrany ity sendika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique