airtel

Sosialy

11-janv-2024

Famatsian-drano eto Antananarivo

Faritra maro ho tapaka adin’ny 8 rahampitso

Sample post image

Namoaka fampahafantarana ny Jirama ny andron’ny omaly fa hotontosaina

11-janv-2024

rahampitso zoma 12 Janoary ny asa fanamboarana ny ampahan'ny tambazotra N14 mamatsy herinaratra 5000 V ao Mandroseza. Mandritra ny fanatanterahana ny asa, eo anelanelan'ny amin'ny 9ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva izany hoe anatin’ny ora valo, dia hihato ny ampahan'ny famokarana ao Mandroseza ka ho banga eo amin'ny 1900m3 isan'ora ny famokarana, hoy ny fampahafantarana. Hisy fikorontanana arak'izany ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Hiverina toy ny mahazatra kosa izany rehefa tontosa ny asa. Toerana maro no hiharan’io dia Analamahitsy - Ivandry - Alarobia -Ankorondrano - Soavimasoandro - Anjanahary - Manjakaray - Ambatomainty - Ambatobe - Ankadindramamy - Soamanandrariny - Ambohitrarahaba - Ankadikely Ilafy - Ambodivona - Ankadifotsy - Ambohijatovo - Faravohitra - Ambatonakanga - Antaninarenina, Amboditsiry - Tsiadana - Fort-voyron - Mahamasina - Ambolokandrina - Ankatso - Ampandrana - Ankadivato - Ambanidia - Anjohy - Andohalo - Ambohimitsimbina - Mahabo - Ambohijanaka - Ankaraobato - Ankadilalampotsy - Mahalavolona - Fort-Duchesne - Ampandrianomby - Ampanotokana - Andraisoro - Antsahameva. Zava-dehibe ny fanamboarana ary andrin’ny vahoaka raha izany fa misy ve ny antoka fa mba hilamina amin’izay ny olan’ny rano izay isan’ireo fahoriana mahazo ny vahoaka mandavan-taona ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap