airtel

Sosialy

17-févr-2023

Sosialy

Fambolem-bary, fahavitan-tena ara-tsakafo Nanome zezika 500 taonina i Ambatovy

Sample post image

Tontosa omaly 16 febroary 2023 tany Morarano Chrome ny fanoloran’ny orinasa Ambatovy tamin’ny fomba ofisialy ny zezika mineral “sulfate d’ammonium” ho an’ny tantsaha any Alaotra Mangoro.

17-févr-2023

Orinasa Malagasy mitrandraka sy manodika ny vokatra ka atao eto avokoa ny dingana ara-pamokarana manontolo. Manamafy ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fandrosoana lovain-jafy eto Madagasikara. “Isan’ny fanamby lehibe ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny vokatra ara-pambolena mba hanohanana ny tantsaha madinika mpamoka-bary eto an-toerana, indrindra amin’izao fotoana tsy maha marin-toerana ny toekarena maneran-tany sy ny fiovaovan’ny vidin-jezika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao”, hoy ny Filoha Tale Jeneralin’Ambatovy Atoa Gustavo Gomez. Zezika azo avy amin’ny dingana teknika famokarana nikela sy kobalta ny “sulfate d’ammonium” ary efa hita sy tsapa fa nahazoana voka-tsoa, ka afaka manampy antsika amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiasana azy, hoy ny fanamarihana. Vokatra avy amin’ny velaran-tanimbary eo amin’ny 2500ha no antenaina hitombo, ary tantsaha manodidina ny 85900 no hahazo tombony amin’izany. In-droa miantaona no nanaovana ny fanomezana ka ny voalohany dia ny 180 taonina, izay hanampy amin’ny kojokaja ara-teknikan’ny fambolem-bary PAPRIZ (Project d'Appui pour l'Amélioration de la Productivité et de l'Industrialisation du Secteur Riz) izay tohanan’ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale) ho an’ireo mampiofana momba ny fambolena ka faritra 11 no hisitraka izany. 320 taonina kosa ny ampahany faharoa, hatolotra ireo fikambanan’ny tantsaha mpamokatra amin’ny faritra 3 ka anisany Alaotra Mangoro. Naneho noho izany ny Filohan’Ambatovy Gus Gomez fa resy lahatra amin’ny hisian’ny akony amin’ny fambolen’ny tantsaha izay misitraka azy ity zezika ity, ary manantena fa hampiasaina araka ny tokony ho izy.


TENA MAHASOLO NY ZEZIKA “UREE” SARY Afangaro amin’ny zezika organikka izy io! “21% ho an’ny sulfate d’ammonium, raha 40% ho an’ny zezika NPK.. Tsy ny zezika simika akory no manimba tany fa ilay fampiharana ilay izy no mila atao feno, izany hoe: zezika simika sy organika…. Tena mahasolo tanteraka ny “urée” ny fampiasana ny “sulfate d’ammonium”, araka ny kasinga entiny rehetra. Tsy manalavitra amin’ny fampiasana ny teknika sy fepetra, ka rehefa voahaja izany, dia mamokatra 5 ka hatramin’ny 6 hekitara. Mamporisika foana ihany koa ny hampiasana ny zezika organika na zezi-pahitra izay mikajy nofon-tany, anisan’ny mitazona ireo kasinga simika hoentin’ny zezika simika mba tsy ho mora lasan’ny rano na rivotra na masoandro, fa voatahiry hositrahan’ny voly tsara”, hoy Rakotoarisoa Herilalaina, Chef de service Régional eo anivon’ny Sampan-draharahan’ny fambolena sy fiompiana Alaotra Mangoro.
“TENA TSARA SY MITOMBO NY VOKA-BARY”
Ho an-dRambeloarison Martin Filoha Lefitry ny Kaoperativan’nyy tantsaha Tsaravoy PC 23 ao Morarano Kraoma, naneho izy fa tena ilaina tokoa ity zezika ity satria amin’izao satria ao anatin’ny fotoana famafazana izao. “Tena tsara sy mitombo ny voka-bary. Teo aloha 2 ka hatramin’ny 3 taonina, fa rehefa misy an’io mety hitontona 5 na 6 taonina isaky ny hekitara eo. Tena lafo ny zezika amin’izao, 350 000Ar ny iray amin’ny lasaka 50kg. Mila 100kg eo anefa ny iray hekitara. Ampiarahana amin’ny zezika NPK izy io, ary hatramin’ny nisian’ny PAPRIZ no nampiasa an’io rehefa nisy ny fampianarana ny teknika fambolem-bary, ary hita mihitsy ny fivoarana”, hoy izy. 2000 eo ny kilaon’ny vary akotry izao, raha toa ka 1000Ar rehefa miaka-bokatra. Isan’ny tsy ahafahan’ny tantsaha mamokatra betsaka ny fahalafosan’ny zezika fa raha mora dia afaka mamokatra bebe kokoa. Manome toky izahay fa mitombo ny voka-barinay, raha mitohy ny fanomezana zezika”, hoy hatrany Atoa Rambeloarison Martin Filoha.

Nanangona sy nandrindra: Toky RAFALIMANANA
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap