airtel

Sosialy

26-nov-2026

Fampiharana

ny lalàna mifehy ny fifaninanana

Sample post image

Hamafisina ny fiarovana ny

26-nov-2026

mpanjifa, ravàna ny ampihimamba »
Taorian’ireo mpandrahara, ny mpanafatra entana, ny mpamongady, ny mpaninjara, ny mpivarotra,… dia ireo Fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa indray omaly no nampahafantarina sy nisitraka fiofanana avy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana momba ny didim-panjakana 2026-1986 entina hampiharana ny lalàna mifehy ny fifaninana nivoaka ny 2018-20. « Ny olona rehetra dia mpanjifa, ary manana ny zo izy ireo hahalala hoe : inona no voalazan’izay didim-panjakana izay », hoy ny Minisitra Haingo Tiana Andriamadison omaly, raha nanokatra ny fotoana. Namafisiny fa hametrahana ny fiarovana ny mpanjifa no anton’io, toy ny hoe : raha tsy manaja ny fametrahana ny vidin’entana ny mpandraharaha dia ny mpanjifa no voa mafy tsy mahafantatra satria tsy voahaja ny zo hahafantatra. Raha misy lalàna tokony hampiharina izay vokatry ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady dia mamono ny tombotsoan’ny mpanjifa ka rariny sy hintsiny raha mijoro ny Minisitera manabe ireo mpanjifa amin’ny zo fototra ananany. Mbola vitsy ny mpanara-maso ny varotra ka tsy maintsy miara-miasa amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny Minisitera satria afaka mitoroka sy mampahafantatra ny minisitera ny fandikan-dalàna misy eny amin’ny tsena izy ireo. Maro ny ezaka vita niaraka tamin’izy ireo, fa maro ihany koa ny vinan’asa, toy ny mety ho fanovana ny lalàna mifehy ny zon’izy ireo. Anatin’ny vanim-potoana fety isika izao, ka manamafy ny asa sy ny ezaka hiarovana hatrany ny mpanjifa ny Minisitera, raha ny nambaran’io Minisitra io. Mafana ny andro, mety hanova ny singa sy kalitao, ka mampitandrina an’ireo mpandraharaha mbola minia mivarotra entana lany daty ny Minisitera. « Tsy handefitra ary tsy hanananay hantra, fa hampiharinay ny lalàna », hoy io Minisitra io. Mampikaika ny mpandraharaha ny ampihimamba, ary efa ambetin-dresaky ny PRRM rehefa miresaka toekarena, ka tena miezaka mampihatra ny lalàna izay mandrara ny fanaovana ampihimamba ny Minisitera amin’ny alalan’ity lalàna ity, fa misy ihany koa ny sampan-draharaha manokana dia ny Filankevitry ny fifaninanana na « Conseil de la concurrence » eny anivon’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana. « Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana hamakiana izay ampihimamba izay fa ampy ihany aloha ny lalàna ny lalàna 2018-20 », hoy izy, izay nanipika fa tsy manao kiantranoantrano ary mampitovy tantana ny mpandrahara rehetra.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

25-nov-2026

Hamafisina ny fifanakalozana traikefa,

Card image cap