kendrena hiakatra 50 ireo vatsim-pianarana
Nohamafisin’i Madagasikara sy Maraoka ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa tamin’ny alalan’ny fifanarahana nosoniavin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Dr Andriamamparany Todisoa Manampy, sy ny manampahefana Maraokanina, ny 23 novambra 2026 tany Maraoka. Anisan’ny tanjona lehibe ny hampiakarana ho 50 ny isan’ireo tanora Malagasy hahazo fiofanana ao an-toerana manomboka amin’ny taom-pianarana 2027-2028, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpampiofana 10, ary ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’ireo toeram-pampianarana sy ivon-toeram-panofanana. Nanamafy ny fahavononany ny METFP hanatanteraka ireo fepetra nifanarahana mba hanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy. Nandritra izany dia noraisina tao amin’ny AMCI ireo mpianatra Malagasy 20 nahazo vatsim-pianarana vao tonga tao Maraoka. Nihaona sy nandray azy ireo ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, notronin’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Minisitry ny Asa Vaventy. Namporisika ireo mpianatra ny tompon’andraikitra mba hanana finiavana sy fitsipi-pifehezana ary hanatanteraka amim-pahombiazana ny fianarany sy ny fiofanany. Omaly 24 novambra kosa, nisy ny atrikasa niarahan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa eto Madagasikara sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ambaratonga voalohany, ny Fanofanana arak’asa ary ny Fahaiza-manao ao Maraoka. Tafiditra tao anatin’izany ny fihaonana teo amin’ny Dr Andriamamparany Todisoa Manampy sy ny Minisitra Maraokanina Nabi Benabdallah, ary koa ny Sekretera Jeneraly misahana ny Fanofanana Arak’asa, Wafa Asri. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fifanakalozana traikefa sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ireo dinika, indrindra amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanofanana sy ny fampivelarana ny fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa. Maneho ny fahavononan’i Madagasikara sy Maraoka hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny tanora sy ny fampandrosoana ny fahaiza-manao ity fitsidihana ity.
Toky R