Nizara zana-trondro 20000, fampitaovana maro, RIP 19 hamboarina,…
Manamafy ny tantsoroka ara-tsosialy sy ara-toekarena ny Faritra Analamanga tarihin-dRtoa RAHARINIRINA Clémence, sy ny ekipany. Ho an'ny herinandro teo, nidina tany Angodongodona, Kaominina ambanivohitra Anosibe Trimoloharano, distrikan'Andramasina, ka nanolotra zana-trondro miisa 2 alina ho an'ny Association Lovasoa, fikambanan'ireo tantsaha mpiompy trondro, mpiaro ny tontolo iainana ary mpamboly zavamaniry ahazoana menaka. Nampanantena ihany koa ny Lehiben'ny Faritra fa hanolotra lakamby, araka ny fangatahan'ny fikambanana, mba hiampitana ny ranon'i Tsiazompaniry. Ankoatra ireo zanatrondro dia nahazo provandy 150 kg, fandanjana 3, glacières 5 ary borety 6 avy amin'ny Faritra Analamanga ihany koa izy ireo. Tany amin'ny Kaominina ambanivohitra Sadabe, distrikan'i Manjakandriana, ihany koa ny Lehiben'ny Faritra Analamanga kosa, nisy ny atrikasa fanomanana ny fanamboarana ny lalana RIP 19, mampitohy an'i Sadabe sy Antanetibe Anativolo, mandalo an'Analaroa, Belanitra ary Ambatomanoina. Narahana fidinana ifotony nijerena ny lalana niaraka tamin'ireo Ben'ny tanàna voakasika izany. Nilaza ny Ben'ny tanànan'Antanetibe Anativolo, ANDRIAMIZANASOA Jeannot, fa ny Faritra Analamanga no hanamboatra ity lalana ity mandra-piandry ny fanombohan'ny tetikasa FSRP, izay hanamboatra azy tanteraka. Tanjona, araka ny fanazavan'ny Lehiben'ny Faritra, ny hisorohana ny fahatapahan'ny lalana mba hahafahan'ny mponina mivezivezy sy mamoaka ny vokatra toy ny tongolo sy vary, araka ny laharam-pahamehan'ny fitondrana fanavaozana tarihan'ny Filoha Kolonely RANDRIANIRINA Michaël. Efa mandeha tsara amin'izao fotoana izao ny fanamboarana ny lalana RIP 19. Namaranana ny diany, ny zoma 20 novambra, ny fidinana tany Ankazondandy, distrikan'i Manjakandriana. Nitokana efitranon-tsekoly anankiroa ho an'ny mpianatra préscolaire ao amin'ny EPP Ambohitsaratany ny Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana. Tantsoroka avy amin'ny Faritra Analamanga ny simenitra 20 lasaka, loko 120 kg ary dabilio 40 nampiasaina tamin'izany. Natolotra nandritra izany koa ny fitaovam-panorenana nahitana simenitra 155 lasaka, vy 195 ary loko 200 kg, ho fanohanana ny fanamboarana sy fanarenana ny EPP any Soavinandriana, ny CEG ho an'Ambohitrolomahitsy sy Antsahalalina, ny tetezana ho an'Ampaneva ary ny birao ifotony fananantany ho an'i Sadabe. Nijery akaiky ny asa fanadiovana sy fanitarana ny lakandrano manondraka tanimbary mirefy hekitara maro ao Fierenana ihany koa izy, ary nanolotra vary sy tsaramaso ho sakafon'ireo fokonolona niasa. Nohamafisin-dRAHARINIRINA Clémence fa ny asan'ny Faritra Analamanga dia mikendry hatrany ny mahasoa ny vahoaka, araka ny toromariky ny PRRM Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, fa ny tombontsoan'ny vahoaka Malagasy irery ihany no anton'ny fijoroana sy ny fiasan'ny fitondrana.
Toky R