Nisokatra tamim-pomba ofisialy afak’omaly Sabotsy 21 Novambra 2026, ny taom-piotazana sy fanondranana lodisia ao amin’ny Faritra Vatovavy. Tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Tsaravary, Distrikan’i Mananjary, no toerana nanamarihana izany. Anisan’ny mampiavaka ny Faritra Vatovavy ny vokatra lodisia izay tsara kalitao. Betsaka koa ny vokatra azo tamin’ity taom-piotazana ity tamin’ny ankapobeny, izay mifanohitra tanteraka amin’ny ao Toamasina ao vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Gezani. Araka ny nambaran’ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ao Vatovavy, Atoa Rabemanandimby Faralahy François, dia anisan’ny tanjona lehibe ny fanomezana lanja ny vokatra eto an-toerana sy ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo mpividy sy mpandraharaha. Tonga nanatrika izany lanonana izany ihany koa ny Talen’ny kabinetra, Atoa Annicet Deslys, izay nisolo tena ny Solombavambahoaka Manager Haja-Questeur III eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Tsiahivina moa fa 2.000 Ar mahery ny iray kilao amin’ny lodisia amin’izao any am-potony raha 5.000 Ar izy tonga eto an-drenivohitra. Na izany aza mbola ireo karazana madinika sy tsy dia tsara no miparitaka eny an-tsena ka mampahalaina ny mpanjifa.
Pati
Legende : Tsara kalitao tahaka izao ny vokatra lodisia avy any Mananjary !