Handavaka lalam-barotra mivantana amin'ireo "Grande Surface"
Handray an-tanana ny hoaviny ireo tantsaha mpamokatra ovy avy any Faratsiho Faritra Vakinankaratra manoloana ny fitotonganan’ny vidim-bokatra. Hiakatra eto Antananarivo izy ireo anio Talata 24 Novambra hihaona amin’ireo tompon’andraikitra eny amin’ny "Grande Surface" na ireo Toeram-pivarotana lehibe. Mialoha izao dia efa nisy ny dinika savaranonando nifanaovan'ny Tale misahana ny Fifaninanana sy ny fandrindrana ny tsena sy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Analamanga sy Vakinankaratra tamin’ny tompon'andraikitra eo anivon'ny tranombarotra Super U, Score ary Leader Price ny Zoma 20 Novambra 2026 lasa teo. 90.300 taonina eo ny vokatra ovy miakatra avy any Faratsiho, amin'ny velaran-tany 7.700 ha. Anisan’ny fahasahiranana sedrain’ny tantsaha ny fitehirizana ny ovy satria 3 andro ihany no ahafahana manao izany, ka antony manosika azy ireo hitady lalam-barotra Vaovao. 300 Ariary ny kilao no nandraisan'ny mpanangom-bokatra ny ovin'i Faratsiho. Nisy fiakarany hoe 470 Ariary izany rehefa nanomboka nihetsika ny tantsaha fa hitady lalam-barotra vaovao. Nidina tany Faratsiho nihaona tamin’ireo mpamboly sy kaoperativan’ny mpamboly, mihitsy moa ny Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha ary ny mpanangom-bokatra, ny delegasiona avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra, sy ny tomponandraikitry ny fambolena any amin’ny Faritra, ny 16 Novambra 2026 lasa teo. Nanodidina ny 50 ireo mpisehatra ovy tonga nivory. Nandray anjara tamin’izany koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Faratsiho sy ny Lehiben’ny Distrika.
Jean D.