ara-kalitao sy ara-pahasalamana
Ao amin’nyandininy faha 19 amin’ny lalampanorenana dia milaza ny maha zava-dehibe ny fiantohana ny fahasalaman’ny mponina , tena mifandraika amin’izany indrindra ny fanabeazana ara-panjifana hoy Ramatoa Raharimalala Vololonjanahary Anicette fantatry y rehetra amin’ny hoe Madamd Vololona filohan’ny sendikan’ny Commissaire des Commerces et de la Concurrence de Madagascar( SACCCM) na kaomiseran ;ny varotra sy ny fifaninanana eto Mada. Manome vola ny mpanjifa dia mahazo entana araka ny tokony ho izy , fa tsy hoe mahazo entana hosoka. Mifanaraka tsara amin’ny fatrany sy ny lanjany ny entana ka rehefa 1 litatra dia 1 litatra fa tsy hoe latsaka, hoy izy.
LAMINA SY FEPETRA
Nomarihiny fa matetika tsy maharaka ny mpivarotra mijery ny entana arantiny sy amidiny. Ny lamina tokony arahana araka ny fanazavan-dramatoa filohan’ny SACCCM dia ny entana miditra voalohany no mivoaka voalohany ; tsy tsindriana amin’ny entana tonga farany ny entana efa tonga aloha indrindra ny resaka sakafo ohatra hoe yaourt, charcuterie, ranom-boankazo, dobera, fromazy... Ny zava-misy matetika anefa na eny amin’ny épicerie na any amin’ireo magazay lehibe dia izay entana voalahatra voalohany eny aloha lasa voalohany, avy eo mampiditra entana mameno ilay banga ny mpivarotra dia tafajanona any aoriana hatrany izay entana any aoriana. Ny tokony ho izy anefa hoy i Raharimalala Vololonjanahary Anicette dia aroso ny entana amin’ny lahaana manaraka aoriana rehefa lafo ireo entana teo amin’ny laharana voalohany, izany hoe any aoriana no mametraka izany entana vaovao...
MILA TOMPON’ANDRAIKITRA AMIN’IZAY ATAO
Ilaina hoy izy ny fampatsiahivana, fanabeazana ny mpivarotra hoe : mitaky andraikitra ny asa, mila fantany tsara ny andraikiny fa tsy hoe miasa fotsiny dia rehefa mahazo vola dia izay. Raha tojo olana amin’ny entana novidiany ny mpanjifa dia azony atao ny manantona eny amin’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana na manantona ny sendika . Farany dia nanome soso-kevitra i Ramatoa Raharimalala Vololonjanahary Anicette hoe mila finiavana politika ny fanatsarana ny fanabeazana ara-panjifana. Azo heverina ihany koa hoy izy ny fitsirihana tampoka ny toerana misy ireo mpikarakara sakafo .Ny zavatra mitranga mantsy dia misy ireo mikarakara sakafo ho ana lanonana na fanasana ohatra no mividy entana mialoha ,kanefa mety tsy voahaja ny fenitra fitahirizana ny sakafo avyeo ka iny ilay mety mitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny mpihinana na ny mpanjifa. Aleo misoroka toa izay mitsabo hoy izy. A
127 ireo Commissaire des commerces et concurrence manerana an’i Madagasikara ary manampy azy ireo amin’ny asa fitsirihana sy fanaraha-maso ireo contrôleur izay 3 avo heny amin’ny isan’ny commissaires ny isany.
Nangonin’i RTT