airtel

Sosialy

05-avril-2024

Fanambarana fahavoazam-pirenena

Hisy fiantraikany amin’ny raharaham-pifidianana ?

Sample post image

Feno ny fepetra hanambarana ny fahavoazam-pirenena (sinistre national)

05-avril-2024

ka nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia teo, araka ny fanambaran’ny Fanjakana, izay nohamafisin’ny Minisitry ny atitany sy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC omaly. Raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC dia efa mahatratra 89.465 ny isan'ireo traboina, raha toa ka 18 no maty. Maro be ireo fotodrafitrasam-panjakana simba, toy ny lalana, ny tetezana, ny sekoly sy ny tranom-panjakana isan-karazany. An-jatona hektara maro koa ny tanimbary tototry ny rano,… ka nanambarana io fahavoazam-pirenena.Misy dingana sy fenitra tsy maintsy arahina toy ny hoe : firy ny isan’ny traboina sy ny maty ? hoy ny Minisitry ny atitany omaly. Ity farany izay nanambara ny maha zava-dehibe ny fiarovana sivily. Nambaran’ny Fanjakana moa, fa efa maro ireo firenena izay manolo- tanana hanampy an'i Madagasikara hiatrika izao voina mahazo an’I Madagasikara. Isan’ny naneho izany ny Frantsay tamin’ny alalan’ny Ambasadaorony Anrnaud Guillois omaly, izay nanolotra “serveur automatique” hanamorana ny fanamorana ny antontan-taratasy sy hanafainganana ny fizaram-baovao momba ny loza. Raha hiverenana, dia faritra no tena voakasika, ary rehefa nanapaka an’io hoe : « sinistre national » ny Fanjakana, dia azo eritreretina fa afaka mandray fanapahan-kevitra noho ny tsy azo hanoharana na ilay hoe : « cas de force majeur ». Tsy hisy fiantraikany amin’ny fifidianana na ho an’ireo faritra voakasika na ho an’i Madagasikara manontolo ve ny zava-misy ? Ho an’ny mpanao politika mantsy, dia nisy ohatra omaly depiote iray avy amin’ny mpanohitra nilaza fa mitovy ny fepetra raisin’ny Fanjakana ho an’ny faritra traboina sy tsy traboina. Ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin moa omaly, dia naneho fa mizotra antsakany sy andavany ny raharaham-pifidianana, ary efa iny nisokatra nanomboka ny 28 martsa hatramin’ny rahampitso iny fandrotsahana ny taratasy firotsahan-kofidiana. Tsikaritra ho marisarisa ny mpanatitra dosie noho ny antony maro : fanasarotana amin’ny lafiny ara-bola, fanasarotana ara-panjakana, fanahiana fifidianana maloto,… Ho tratra ve ny kandida depiote 803 tamin’ny 2019 ? Sa ny antokon’ny fitondrana ihany no hiezaka handrotsaka kandida mahaleo tena hanatsaratsarana ny endri-pifidianana sy hisakanana an-kolaka ny fandresen’ny mpanohitra ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap