Raha zohiana, toa raisin’ny Fitondrana ho fanalam-baraka azy ny zava-misy, ka ny fanenjehana na ramatahora ho an’izay namoaka ny vaovao no hihazakazahana. Efa nanala tena ny Birao misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) fa tsy izy no nizara izany, ary izay no ilàna ny fandaminana sy fandrindrana miainga amin’izy ireo, fa tsy tokony ho ny tsy miankina no hizara izany. Nikorapaka sy tena niezaka nitondra fanampiana araka ny tokony ho izy sy mifandanja amin’ny tena filam-bahoaka ve ny Fanjakana raha tsy nivoaka iny sary iny ? Zava-misy niainan’ny vahoaka ireny, ary tena nisy, ka ny fanenjehana na fandrahonana izay namoaka azy ve no vahaolana. Tetsy andaniny, nanao antso ho an’ny vahoaka na ilay antsoina hoe “koka” ny Raiamandreny tao Ikongo mba hiara-hanatitra an’i Andry Tafaray tany amin’ny Kaomisaria ary haneho firaisan-kiana sy fiarovana azy. Tsy tongatonga ho azy izany matoa efa ireo Raiamandreny ara-drazana to teny no mijoro. Tena hitondra tombotsoa politika ve ny karazana fandrangarangana hery sy sazy tahaka izao sa fananganam-pahavalo ankitsirano? Misy mampijabaka mihitsy ve ny Filoha na ny Fanjakana amin’ity raharaha Ikongo toa misesy ity sa dia efa izay mihitsy ny fomba fiasa sy paikady ?
Toky R
Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,
Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra
Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona