airtel

Sosialy

17-févr-2022

Sosialy

Fanarenana taorian’ny rivodoza Nanome fanampiana mitentina 21 tapitrisa Ar ny QMM

Sample post image

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai izay nandravarava sy nampitondra takaitra ny faritra maro, nitondra fanampiana ho anjara biriky ho an’ny traboina ny orinasa Rio Tinto QMM.

17-févr-2022

Nanatitra fanampiana miteti-bidy 21 tapitrisa Ar ity teny amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC teny Antanimora, ka natolotra tamin’ny alalan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa izany, nahitana vary 200 lasaka sy lamba firakotra lehibe miisa 50. Nanatrika ity fotoana ity ny Rtoa Nantenaina Rasolonirina Tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Strateiques), Atoa Olivier Rakotomalala Mpikamban’ny filankevi-pitantanan’ny QMM (QIT Madagascar Minirales) sy ireo solontenan’ny QMM. Raha toa ka any Fort-dauphin ao anatin’ny Faritra Anosy no tena iasan’ny orinasa dia manana ny Biraom-pifandraisany eto Antananarivo ny QMM izay etsy Ivandry ahafahan’ny ekipany mahantatra bebe kokoa ny hamafin’ny voka-dratsin’ny rivodoza ihany koa tamin’io fokontany io. Nifanandrify indrindra tamin’ny fanampiana teny amin’ny BNGRC dia nisy ihany koa ny fizarana fanampiana natao teny an-toerana, ka nanolorana vary 15 lasaka, menaka 50 tavoahangy, lamba firakotra 20 , impermeables na akanjo tsy tatera-drano 10, kiraro baoty 10, ary labozia nanampiana ireo traboina teny amin’ny Fokontany Ivandry. “Maneho ny firaisan-kiana tanteraka amin’ny vahoaka sy ny governemanta Malagasy manoloana ny fotoan-tsarotra amin’ny maha orinasa mpisehatra amin’ny fampandrosoana. Misafidy ny hitondra fanampiana mivantana izahay mba hamaliana haingana sy mivaingana eo anatrehan’ny zava-manjo ny mpiray tanindrazana,… Amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra dia mitondra anjara biriky eny anivon’ny vondron’olona marefo,…”, hoy ny Tale Jeneralin’ny QMM Atoa Ny Fanja Rakotomalala.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap