airtel

Sosialy

09-juil-2026

Fanjakana sy ny orinasan-tsolika

Mihalalina ny fifandirana...

Sample post image

Namoaka fanambaràna manan-danja

09-juil-2026

ny Groupement Pétrolier de Madagascar (GPM) taorian’ny fankatoavan’ny Antenimierampirenena ny lalàna N°021/2026, izay mametraka fitsipika vaovao mifehy ny sehatry ny solika. Na dia manaiky ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana aza, dia naneho alahelo ny GPM izay nilaza fa tsy nisy fifampidinihana tamin’ny fanomanana sy fanadihadiana ny lalàna. Notsindrian’izy ireo fa ny solika dia vokatra stratejika manan-danja amin’ny fiainana andavanandro: manampy amin’ny fitaterana, ny orinasa, ny asa fanompoam-panjakana ary ny toekarena amin’ny ankapobeny. Milaza io Vondrona io nandritra ny 25 taona mahery, ny rafitra teo aloha dia nahafahana namolavola drafitra mazava sy mifaninana, izay nanampy tamin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra sy ny fiarovana ny famatsiana solika. Manantena ny GPM fa ny didy fampiharana amin’ity lalàna vaovao ity dia ho vokatra avy amin’ny fiaraha-miasa sy fifampidinihana eo amin’ny fanjakana, ny mpanara-maso ary ny matihanina amin’ny sehatra, mba hahazoana rafitra matanjaka sy maharitra ho an’ny vahoaka Malagasy. Farany, nanamafy ny GPM fa vonona ny handray anjara amin’ny adihevitra sy ny fanomanana amin’ny fomba mampiray sy tompon’andraikitra, mba hahazoana antoka fa ny fanavaozana dia hanampy amin’ny fitoniana ara-barotra, ny fahatokisan’ny mpampiasa vola, ary ny fiarovana ny famatsiana solika. Milaza ny GPM fa nahomby sy nametraka fifaninanana ny rafitra tao anatin'ny 25 taona, saingy tsy dia hita firy izany raha ny zava-misy hatramin'izao, fa toa tratry ny tian-kano tsy tian-kano ny Malagasy. Andaniny, mikendry ny hanamafy ny rafitra famatsiana solika ho maharitra, mahomby ary ara toekarena ny Fanjakana. Maniry ny hanamafy ny fiarovana sy hahazo fepetra tsara kokoa amin’ny tsena iraisam pirenena, amin'ny maha sehatra stratejika ny solika amin’ny toe drafitra iraisam pirenena sarotra. Asa izay tohin'ny fifanarahana amin'ireo mpandraharaha ara-tsolika izay nambaran'ny Filohan'ny Antenimierampirenena volana vitsy lasa fa ho tapitra ny mey 2026? Nisy resaka fa vonona ny Rosianina sy Qataris hamatsy solika, niampy ny dian'ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael tany Nigeria vao tsy ela fa vonona io Firenena io hamatsy ary efa an-dalana ny fifanarahana. Herinandro lasa no niresahan'ny fampahalalam-baovao iray fa mety hizotra makany amin'ny fanafarana mivantana amin'ny alalan'ny rafitra manokana nahazo alalana, izay hiandraikitra ny fikarohana, fifampiraharahana, fividianana, fanafarana ary fizarana vokatra solika. Io rafitra io dia hiasa koa amin’ny asa hafa toy ny fitaterana, fitehirizana ary fivarotana. Tany amin'ny Fitondrana Rajoelina no efa nametrahana ny SPM (State Procurement of Madagascar) fa tsy tena nahomby ka asa hanao ahoana ity indray mitoraka ity raha ho tonga amin'izany? Ny ady mangatsika na fifanolanana ve no miteraka ireo olana stratejika sasany toy ny resaka herinaratra izay saika ireo orinasa goavana mifandraika amin'ny solika sy angovo no mifehy azy?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-juil-2026

Nankeny amin’ny biraon’ny praiminisitra izahay,

Card image cap