Manohy ny fanohanany ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana marefo eto Madagasikara ny Fondation AXIAN, ka kojakojam-pianarana miisa 1 200 ho fanomanana ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly no ho zarainy. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanampy ireo ankizy sy ny fianakaviany amin’ny fotoana fidiran’ny mpianatra. Ahitana kahie, fitaovam-pianarana ary kojakoja ilaina amin’ny fianarana ireo kojakoja zaraina. Kojakojam-pianarana miisa 400 no nozaraina ho an’ireo ankizy tohanan’ny fikambanana FCRA (Fifanampiana Centre Rassoul Akram ) eny Antohomadinika. Ny ambiny kosa dia hotohizana ny fizarana mandritra ireo herinandro ho avy, ka hahazo izany ireo fianakaviana sahirana, fikambanana, fitaizana zaza kamboty ary ireo rafitra mandray sy mikarakara ankizy any amin’ny faritra samihafa. Ny FCRA dia mitaiza sy manabe ankizy marobe manerana an’i Madagasikara ka ho tsinjarainy ireo fitaovana natolotry ny Fondation AXIAN ireo entina hanampiana ireo avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Ny 150 no homena ny etsy antohomadinika fa ny ambiny kosa dia entina any Manakara izay misy sampnan’ny FCRA ihany koa. Naneho ny AXIAN fa efa an-taonany maro no manatanteraka fandaharan’asa mikendry ny hanatsarana ny tontolo ianarana, anisan’izany ny fananganana sy fanarenana sekoly. Notsindrian’ny Fondation AXIAN fa mila jerena ihany koa ireo olana sy zava. Efa mihoatra ny 240 ireo sekoly voalaza fa naorin’ny Fondation AXIAN hatramin’izao.
Solotiana