airtel

Sosialy

20-avril-2026

Faritra Atsimo Andrefana

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

Sample post image

Mihazakazaka ny fanatanterahana

20-avril-2026

ny tetikasa fametrahana rafitra famatsian-drano maro fampiasa na ny Système Multi-Usage (MUS) hisitrahan'ny vahoaka rano fisotro madio. Misitraka io rafitra io izao ny ao amin’ny Distrikan’Ankazoabo Sud, Faritra Atsimo Andrefana. Miisa 13 no vita ary efa azo ampiasana ka mponina manodidina ny 10.000 no misitraka izany. Fotodrafitrasa maoderina sy maharitra no natsangana, izay ahitana "forage" misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sinibendrano 15 m³, tambazotran-drano mivelatra, kioska “Smart Tap”, ary rafitra fanondrahana ho an’ny fambolena. Tsy rano fisotro madio ihany no azo, fa sehatra iray manohana ny fiveloman’ny mponina ihany koa, amin’ny alalan’ny zaridaina anana mirefy 500 m² izay manatsara ny sakafo sy mampitombo ny fidiram-bola. Fantatra fa 168 ireo "Système Multi-Usage" izay apetraka ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Ity tetikasa ity dia manaporofo fa ny fananganana fotodrafitrasa rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana dia mitondra fiovana mivaingana sy maharitra eo amin’ny fiainan’ny vahoaka.
Nangonin'i Jean D.
Mponina misitraka rano avy amin'ny "Système Multi-Usage"
 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

ara-dalàna ny taranaka faramandimby»

Card image cap
19-juin-2026

Vao avy nividy menaka 20 litatra dia

Card image cap
18-juin-2026

roa nifandimby nitondra

Card image cap
18-juin-2026

Orinasa afaka haba miisa 141

Card image cap
18-juin-2026

Sady hamokatra herinaratra no hanondraka tanimbary 1000Ha

Card image cap