rivo-doza Fytia dia manambana mitady ho vaky ny fefilohan'i Tongoloina ao amin'ny Kaominina ambàivohitr' Ampahitrosy, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Noho ny fiakaran'ny rano sy ny fandehanany mafy no voalaza ho anton'izany. Fokontany miisa 5 ao anatin'ny Kaominina Ampahitrosy, 8 ao Ampanefy, 5 ao Soalandy, ary 4 ao Soavina no atahorana ho tra-doza raha sanatria misy izany fahavakisana izany hoy ny vaovao. Mitontaly 24 isa eo ho eo izy ireo amin'ny ankapobeny miampy ny Fokontany iray ao Anosizato Andrefana. Ao anatin'ny loza mitatao amin'ny tondra-drano ireo kaominîna ireo noho izany raha araka ny vaovao azo teo anivon'ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny APIPA.
Pati
Légende : Tahaka izao no fisasasasan'ny rano amin'ilay fefiloha ahiana ho vaky !