airtel

Sosialy

15-févr-2023

Sosialy

Fiahiana sosialy 12%n’ny mponina hatreto no misitraka

Sample post image

Miroso amin'ny fanatanterahana sy ny fametrahana ny tetikasa Fiahiana sosialy amin'ny faritra miisa 23 manerana an'i Madagasikara ny minisiteran'ny mponina raha faritra 15 no mbola misy an'izany amin'izao,

15-févr-2023

hoy ny tale jeneralin'ny Fiahiana sosialy, Ghisbert Rivomanana. Hanatrarana izany, hanenika an'ny faritra 23 ny fitaleavam-paritry ny minisiteran'ny mponina raha 15 ihany izany amin'izao, hoy ny fampitam-baovao. Hatreto, 12%n'ny mponina tena sahirana manerana an'i Madagasikara ihany no mbola misitraka fiahiana sosialy. Kendrena araka izany ny hampiakatra io taha io ho 15% amin'ity taona ity, hoy hatrany ity tale jeneraly ity. Ankoatra ny tohana ara-tsakafo na ara-bola amin'ny alalan'ny "mobile banking" entina hanatsarana ny fiainan'ny olona maro dia misy koa fanamafisana traikefa atolotra azy ireo sy ireo mpisehatra amin'ny fanatanterahana izany. Atao ity farany, entina hitaizana ny mpisitraka ny fiahiana sosialy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fanampiana. Natao koa hanentanana azy ireny izay any ifotony mba tsy hanary fotsiny ny fanampiana azony fa hampiasa izany ahazoana vokatra tsara. Nanomboka omaly 14 febroary ary aharitra 6 andro dia misy ny fanamafisam-pahaizana homena ny talem-paritry ny mponina izay iresahana ny tontolon'ny serasera izay andry iankinan'ny fanapariahana ny lanjan'ny fiahiana sosialy. Raha tsiahivina, vao neken'ny banky iraisampirenena ny 21 desambra teo ny famatsiana ara-bola mitentina 250 tapitrisa Dolara hanampiana ny fanjakana malagasy amin'ny fampitomboana ny isan'ny olona tena marefo hisitraka fiahiana sosialy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap