airtel

Sosialy

20-janv-2026

Fiakaran’ny rano eny

Andohatapenaka Velon-taraina ireo mponina

Sample post image

Velon-taraina ao anatin’izao fotoanan’ny

20-janv-2026

rotsak’orana izao ireo mponina eny Andohatapenaka, raha ny fampitàm-baovao voaray. Ny antony dia satria tena tsy hay tohaina ny fiakaran’ny rano eny an-toerana, indrindra, rehefa mafy izay rotsak’orana izay. Tafiditra any an-trano ny rano fa tsy vitan’ny hoe miakatra fotsiny. Tsentsina ireo tatatra tokony hivoahan’ny rano, hoy ny fanazavàna voaray, ary izay no tena antony mahatonga izay fiakaran’ny rano izay. Isan’ny anton’ny fahatsentsenan’ireo tatatra na lakan-drano moa ny fanarian’ireo mponina ny fako sy malotony any amin’ireny tatatra ireny saingy eo indrindra koa nefa ny karazana fanorenana tsy ara-dalàna sy tsy araka ny tokony ho izy izay saika nisy fotoana nirongatra mihitsy teny amin’iny faritra iny, raha ny fanazavàna sy tsiahim-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

Raikitra ilay tetikasa Next Lead.

Card image cap