airtel

Sosialy

01-juil-2026

Fifaninana ara-barotra

« Ny fanatsarana ny kalitao no tokony hojerena »

Sample post image

Manana fiantraikany lehibe amin’ny

01-juil-2026

fiainan’ny mpanjifa ny politikan’ny fifaninana sy lalàna mifehy ny fifaninanana, hoy ny fanazavàn’ny mpanolontsaina momba fitantanana ny resaka fifaninanana ara-barotra, ny Kaomisera Lanana Marcel Claudia. Tsy eto Madagasikara ihany izany, hoy izy, fa manerantany. Miteraka vidin’entana mora kokoa aloha izany, voalohany indrindra. Io ilay antsoina hoe vidiny tena izy na «vérité des prix». Mety hiteraka fanatsaràna ny kalitaon’ny entana koa. Miteraka ady amin’ny fifaninanana tsy ara-dalàna na «concurrence déloyale». Ny lalàna nivoaka ny taona 2018 no lalàna mifehy ny fifaninanana ankehitriny, izay mitondra ny laharana 2018-020 ny 23 aogositra 2018. Fanavaozana ny lalàna nivoaka ny taona 2005 io. Ny atao hoe fifaninanana tsy ara-dalàna moa dia fihetsika tsy mifanaraka amin’ny fomba fivarotana ka misarika mpanjifa amin’ny tsy ara-dalàna na koa hoe manodina mpanjifan’ny olona mpifaninana hankao aminy. Ny voalazan’ny lalàna dia hoe fanaratsiana ny entan’ny mpifaninana aminao na fanaratsiana ilay mpandraharaha mpifaninana aminao mihitsy. Fifaninanana tsy ara-dalàna ny fanaratsiana ny vokatry ny mpandraharaha mpifaninana, fanaratsiana ny tenan’ilay mpandraharaha mpifaninana, fanaovana dokam-barotra fampitahana ny entanao amin’ny entana mpandraharaha mpifaninana, manararaotra ny lazan’ny mpifaninana dia mampiasa ny marikany amin’ny fomba tsy mety na ilay antsoina hoe «parasitisme». Misy koa ny antsoina hoe «pratique anti-concurrentielle» na fandraharahana manohitra fifaninanana. Ny resaka vidina entana, fidirany eo amin’ny tsena, kalitao no tokony jerena. Rehefa betsaka ny mpifaninana dia miha mora ny vidina entana. Miezaka manatsara ny kalitaon’ny entana amidiny ny mpifaninana. Miha maro koa ny vokatra dia maro ny safidy ho an’ny mpanjifa. Miha malalaka ny fidirana anatina tsenam-barotra iray. Ny filankevitry ny fifaninanana sy ny minisiteran’ny varotra no rafitra misahana ny fifaninanana eto Madagasikara. Ny filankevitra miandraikitra ny fifanarahana hoe ara-dalàna sa tsia? Manao ahoana ny tanjaka ara-toekarena? Miandraikitra famoriana orinasa koa izy ary mamoaka tolokevitra mikasika famolavolàna didy momba ny fifaninanana. Ny fifaninanana voarara sy fifanarahana voarara na «entente prohibé» dia ireo manohitra fifaninanana. Misy karazany maro io fifanarahana io. Ao ny fifanarahana tsotra dia misy ny iraisana mpandraharaha. Ny fanararaotana tanjaka ara-toekarena na «position de monopole» na «position dominante» dia voararan’ny lalàna ihany koa satria fandraharahana manohitra fifaninanana izay mibahana tsena iray. Ny filankevitra dia afaka manasazy ara-bola, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique