airtel

Sosialy

16-sept-2025

Fifindra-monina vokatry ny

fiovaovàn’ny toetr’andro

Sample post image

Tena isan’ny olana goavana eto Madagasikara

16-sept-2025

Tena isan’ny olana goavana eto Madagasikara ny fifindra-monina vokatry ny fiovaovàn’ny toetr’andro, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Moïse Rasamoelina. Eo anivon’ny sehatra iraisampirenena, hoy izy, indrindra, sehatra afrikanina dia nisy ny fanambaràn’i Kampalà, renivohitr’i Rwanda, momba ny fifindrà-monina, ny tontolo iainana ary ny fiovaovàn’ny toetr’andro izay miezaka mijery ny vahaolana afrikanina mikasika ny olana apetrak’izany. Misy, noho izany, ny alatsinainy 15 sy 16 septambra 2025 ny loha-bary an-dasy iarahan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy miaraka amin’ny sampan-draharaha iraisampirenena momba ny fifindrà-monina na OIM ahafahan’i Madagasikara miditra anatin’izany fanambaràn’i Kampala izany. Ny tanjona dia ny ahafahan’i Madagasikara mijery vahaolana iombonana hahafahana miatrika izany fifindrà-monina vokatry ny fiovaovàn’ny toetr’andro izany. Tsy hoe tsy avela hifindra monina ireo mpiray tanindrazana fa ny mifanohitra amin’izay dia ny hoe ahoana no ahafahana mandrindra izany fifindra-monina izany? Mety hisy resaka fijerena ny fanajariana ny tany ao, ny resaka ihany koa fitsinjaràm-pahefàna sy ny maro hafa satria raha tsy jerentsika ny fifindrà-monina dia lasa olana iray mitondra olana vaovao ihany koa satria misy fotoana ireny mpifindra monina ireny mankany amin’ny faritra arovana, manao saribao, manao tavy ka lasa olana vaovao raha tsy raisina an-tanana. Ankehitriny dia maro dia maro ireo mpifindra monina any atsimo, ohatra, no tratry ny kere vokatry ny fahasimbàn’ny fahafahana mitady fidiràm-bola vokatry ny fahasimbàn’ny fambolena. Eo koa ny faharavàna vokatry ny rivodoza sy haintany rehetra ireny na fiovaovàn’ny toetr’andro. Aorian’izao dia hanana fomba fijery iombonana izay handraisan’ireo mpisehatra rehetra anjara na departemanta ministerialy isan-tsokajiny izany, na ireo firaisa-monim-pirenena na ihany koa ireo tetikasa sy mpisehatra rehetra anaty fifindrà-monina ireny isika ary ho hita eo ny ahafahantsika miditra na tsia anatin’izay fanambaràn’i Kampalà izay. Ny fandraisan’ny rehetra anjara no isan’ny tena vahaolana voalohany satria tsy resaka tontolo iainana ihany io fa eo koa ny ara-tsosialy. Aiza ho aiza ny fandraisana an-tanana ara-tsosialy ireo mpifindra-monina ireo? Eo koa ny ara-panajariana ny tany sy ny fananan-tany. Raha hiala amin’ny taniny ireo olona ireo, inona no vahaolana azontsika aroso hoe aiza indray no tany honenan’izy ireo? Eo amin’ny sehatry ny fiompiana sy fambolena, ohatra, ahoana no ahafahana manoma tany ahafahan’izy manohy ny fiompiana sy famboleny? Hijerena lalindalina kokoa izany rehetra izany indrindra no anton’izao loha-bary an-dasy izao, izay hiantsoan’ny governemanta ny herivelona rehetra hifanome tanana hametrahana ny antsoina hoe «justice climatique» na rariny ara-tontolo iainana satria tsy fidiny ho an’ireo olona ireo no hifindra monina fa vokatr’izay fiovaovàn’ny toetr’andro izay, hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap