airtel

Sosialy

04-sept-2023

Fihinanana trondro eto Madagasikara

Tafakatra 7kg isan’olona isan-taona

Sample post image

Tafakatra 7kg isan’olona, isan-taona ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao

04-sept-2023

voaray teo anivon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, ny faran’ny herinandro teo. Ambany ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara hatramin’izay, hoy ny fanazavana. 2,16kg isan’olona isan-taona izany tany amin’ny 4 taona lasa. Nitombo 4,16kg isan’olona tamin’ny taon-dasa. Tanjona ny hampiakarana izany ho 11kg. Fitambarana ezaka maro no nahazoana izany vokatra izany, hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fanjonoana madinika, ny fizarana fitaovana mba hahafahan’ny mpajono mandeha lavitra, ny fiompiana trondro anaty tanimbary, dobo sy ny anaty “case” mitsingevana sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

Card image cap