airtel

Sosialy

18-mars-2024

Fihinanana trondro misy poizina

Mpanjono roa namoy ny ainy tany Tolagnaro

Sample post image

Mpanjono miisa roa no fantatra fa namoy ny ainy tao amin’ny Fokontany Ambinanibe,

18-mars-2024

Kaominina Taolagnaro, Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia noho ny fihinanana trondro iray atao hoe «botana » na “poisson ballon”, fantatra amin’ny anarana siantifika hoe : « Arothron mappa » no antony nahatonga izany. Raha ny fantatra hatrany dia 07 mirahalahy izy ireo no nitono sy nihinana ity karazan-trondro ity ary tena namokovoko tokoa. Amin’ireo mpanjono 5 lahy ireo dia mbola miady amin’ny fahafatesana ny iray ary efa manao ny ezaka rehetra ny mpitsabo ka efa natao « sous oxygène » izy hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao . Efa any amin’ny havany kosa ny vatana mangatsiakan’ireo roa rehefa avy nialana nenina. Fotoana fihinan’ity karazan-trondro iray ity ilay lomotra mahafaty any anaty ranomasina moa izao volana martsa izao raha araka ny fantatra izay tena mamono olona tokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanjono iray mbola miady amin’ny fahafatesana
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap