airtel

Sosialy

30-juin-2026

Fikambanana Fonena

« Notezaina ho mpandray tombotsoa ny Malagasy ! »

Sample post image

Namelabelatra ny vinany momba

30-juin-2026

ny fampandrosoana maharitra miorina sy miainga amin’ny fokonolona ary nampahafantarany ny vinam-piarahamonina, nanamafisany ny fidirany eto ao amin’ny faritra Analamanga ny fikambanana Fonena ny faha 26 jona teo teny amin’ny tranombokompirenena Anosy teny. Nandritra izany ihany koa no nanoloran’izy ireo ny vahaolana manoloana ny tsy fahombiazan’ireo tetikasa sy politika heverina hampandroso ny firenena. Nambaran’ny fikambanana fonena tamin’izany fa “Nandritra ny enina amby enimpolo taona, i Madagasikara dia nisedra modely maro samihafa raha ny fampandrosoana no asian-teny saingy tsy nahitana vokatra maharitra manatsara ny andavanandron’ny vahoaka isan-tokantrano ». Fonena dia mahatsapa fa ny olom-pirenena malagasy dia lasa notaizaina ho mpandray tombotsoa fotsiny fa tsy ho tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiaraha monina misy azy intsony. FONENA noho izany dia te hametraka fanovàna sy fanavaozana tanteraka : ny Fokonolona no hany fototry ny fampandrosoana.” Hoan’ity fikambanana ity dia ny tetikasa sosialy « Ny fokonolona no vahaolana » dia naorina tamin’ny fitsipika enina : ny fahamarinan-toeran’ny fahaleovantenan’ny vahoaka, ny fanapahan-kevitra miainga avy amin’ny olom-pirenena, ny fahamendrehana ho fototra, ny andraikitra iombonana, ny asa mialoha ny teny fikasana, ary ny fahamarinana sy ny mangarahara. Tany amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara no nanombohan’ny fiakambanana fonena ny asany ary nanapofofoany fa azo tanterahana ireo vina narosony. Voaarina ny sekoly efa rava, nozaraina fitaovam-pianarana nympianatra , napetraka ny paompy sy fitaovana mandeha amin’ny angovo madio, ary nahetsika ny vahoaka teny ifotony niatrehana ny rivo-doza. Hanamafy orina ny fisian’ity fikambanana ity ny fijoroanay eto amin’ny faritra faritra analamanga hony ny mpandrindra Rejionaly hoan’ny faritra Analamanga Andriamatoa Henintsoa RAJAOSAFARA.
Solotiana
 

Dans la même rubrique