ara-potoana azon'ny Détachement Naval Nosy Be Hell-Ville ny alin'ny asabotsy 11 jolay hifoha ny 12 jolay 2026, dia botry iray no sarona saika hitondra olona antsokosoko niainga teo amin'ny seranan-tsambon' Ambarovato Nosy Be, araka ny vaovao ofisialy. Nandritra ny hetsika no nahitana olona 22 isa tao anatiny ary nahitana zaza amam-behivavy. Taorian'ny ny fandraisan'ny Tafika Andranomasina azy ireo dia naterina teo anivon'ny Polisim-pirenena izy ireo ho amin'ny tohiny ny fanadiadiana. Ampatsahivina hatrany fa mampidi- doza ny fiondranana tsy ara-dalana toy izao, tranga izay efa namoizana aina maro tamin'ny faritry Nosy Faly iny taona vitsy lasa izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tsy vao sambany amin’ireo karazana fivoahana antsokosoko miala an’i Madagasikara satria ny tato ho ato fotsiny, dia ny aprily 2026, dia sarona tany Morondava ny vondron’olona 30 izay nikasa hiala tamin’ny alalan’ny sambokely mankany Mozambika, izay voalaza fa tambajotra mpanondran’olona no ao ambadik’izany. Ny mey 2026, vedety kely nitondra Malagasy 25 no sarona teo amin’ny morontsiraka atsinanan’i La Réunion. Nisy naratra vokatry ny fandehanana an-dranomasina tsy misy fiarovana. Ny 27 jona teo, sambokely nitondra olona 42 avy eto Madagasikara no tratra tany amin’ny morontsirak’i Mayotte ny 27 Jona. Nisy ankizy sy vehivavy tao anatiny, ary nentina tany amin’ny foibe fandraisana vonjimaika. Nanamafy ny manampahefana frantsay tamin’izany fa mitohy ny fivoahana antsokosoko avy eto Madagasikara. Mazava ho azy fa tena betsaka ny fivoahana antsokosoko miainga eto, eny fa hatramin’ireo fitsoahana ara-politika aza, izay endriky ny sisin-tany mibanaka. Betsaka ny mitady làlana hiala eto noho ny antony maro : fahantrana, fitadiavana fiainana mora kokoa,… saingy saika olana na loza no miandry.
Toky R