Misy anefa ireo tsy misotro rano mihitsy raha tsy efa mangetaheta fatratra. Ny 90%-n’ny taovan’olombelona ao anaty anefa dia rano avokoa no mamelona sy mampiodina azy. Raha mahavita misotro rano tsara kosa anefa ny olona iray dia aretina maro no ho voasoroka sy ho sitrana. Rano mafana efatra vera isa-maraina no hisantarana izany dia mahavaha olana raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly etsy Namontana. Sotroina iray vera isaky ny 15 minitra izany ary 45 minitra aorian’ny fisotroana ireo rano 4 vera ireo vao misakafo maraina. Nambaran’ity mpitsabo ity fa na ireo olona lazaina fa marary fo be sy tratry ny diabeta aza dia afaka ny ho sitrana ao anatin’ny 9 volana raha manam-piniavana. Toraka izany koa ireo marary aty….Sady manadio ny ao anaty mantsy io rano mafana sotroina isa-maraina io raha araka ny fanazavany no mamelona ireo taova rehetra ary manosika azy ireo hanao ny asany tsara indray.
(Sary fanehoana)
Pati