airtel

Sosialy

07-sept-2026

FITADIAVAM-BOLA

HAFAKELY

Sample post image

Misy mahavita mitety taksibe milaza

07-sept-2026

fa manan-janaka marary mafy....
Tsy ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook irery ihany no ahitana ireo karazan’olona mitaraina na misoloky mikasika ny trangam-piainana mahazo azy. Efa tonga hatrany anaty fiara fitateram-bahoaka rehetra any mihitsy izy ireny mba haka sy hitango volan’olona. Ho ana Raim-pianakaviana iray niakatra tao anaty taxibe 133 miazo an’Itaosy tetsy Ampefiloha ohatra dia nitaraina mafy izy fa maty ny vadiny. Narary fo vokatr’izany ilay zanany vavikely ka lasa manana aretina mitaiza. Mifanintona matetika ihany koa ka mila vola 200.000 Ar izy amin’izao mba hividianana fanafody. Nambarany fa vaky vokatry ny fianjerana ny lohan’io zanany io raha maratra daholo ihany koa ny lelany voakaikitry ny nifiny isaky ny mifanintona. Nalahelo sy tohana ireo nandre izany ka samy nanao izay voatsirambin’ny tanany. Vao lasa anefa io Raim-pianakaviana io dia nisy lehilahy hafa iray niditra indray nitondra karne misy lisitra fanafody fa marary ihany koa, hono. Nitantara ny fiainany koa izy saingy vitsy sisa ireo nanome. Ny hany nambaran’ilay reseveran’ny taxibe dia mihabetsaka ireny karazan’olona ireny ankehitriny. Tsy fantatra intsony hoy izy izay milaza ny marina na misoloky fa anjaran’ny mpandeha ny mandinika azy. Olona 4 isan’andro raha ny nambarany no miakatra ao anaty taxibe mangataka fanampiana amin’ireo mpandeha tahaka izany.
Pati
Legende : Ity Raim-pianakaviana amin’ny sary ity izao tena mitety taxibe mihitsy !

 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

77%n’ny ankizy eto Madagasikara

Card image cap
03-sept-2026

Manolotra fitaovam-pianarana 1 200 ny Fondation Axian

Card image cap