Raha tsiahivina kely ny tantara dia nametraka fitaovana maromaro fitrandrahana volamena tsy nahazoana alalana tao amin’ny reniranon’i Kamoro izy io niaraka tamina sambokely iray. Efa nisy ny fotoana nanakatonana io toerana io saingy mbola nanao ny nataony ihany ilay tera-tany vahiny. Voatery nogiazana avokoa ireo fitaovana ireo noho izany izay fantatra fa tena manara-penitra tokoa. Noesorina ihany koa ireo kojakoja sy fitaovana efa nahazo toerana mba hanao izany fitrandrahana izany, asa nataon’ny polisin’ny harena an-kibon’ny tany tany an-toerana. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia efa misy tambajotran’olona manao ity asa fitrandrahana volamena tsy ara-dalana ity any an-toerana ka efa miroso amin’ny fikarohana azy ireo ny Ministeran’ny harena an-kibon’ny tany sy ny mpitandro ny filaminana ankehitriny ankoatra ity tera-tany vahiny iray efa nosamborina ity.
Pati