Ny ankoatra izay dia zara fa manambady fotsiny ihany ary te-hivoaka raha vantany vao misy olana, indrindra fa ireo eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona. Raha araka ny tatitra nataon’ny Fitsarana etsy Anosy mantsy dia mahatratra 60 isan’andro ny fangatahaa fisaraham-panambadiana voarain’izy ireo amin’izao. Raha araka ny vaovao voaray hatrany dia ny fanambadiana mialoha loatra sy ny fanambadiana tsinahy na maimaika toy ny hoe : bevohoka razazavavy dia voatery fotsiny ihany razazalahy no anisan’ny antony mahatonga io fangatahana fisaraham-panambadiana io. Fa ankoatra ireo dia fantatra fa anisan’ny mampisaraka ireo mpivady ihany koa ny herisetra ao an-tokantrano sy ny fampirafesana. Tokony hisaina tsara fa tsy ho maimaika hiditra ao anaty fanambadiana araka izany ny tanora raha mbola tsy tena vonona tsara. Ny fanambadiana mantsy dia lalan-tokana tsy azo hiverenana mandrakizay eo amin’ny fiainana ary tokony ho fitiavana irery ihany no manosika ny roa tonta hiditra ao anatin’izany.
Pati
Legende : 60 isan’andro ny antontan-taratasy fangatahana fisaraham-panambadiana voaray etsy amin’ny fitsarana Anosy.
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana