airtel

Sosialy

14-avril-2023

Sosialy

Fivelomana sy fihariana maharitra «Nozarina niandry ny Malagasy»

Sample post image

Isan’ny tolona sendikaly eto amin’ny firenena ankehitriny ny hoe ahoana ny hananan’ny malagasy izany antsoina hoe asa mendrika izany?

14-avril-2023

Etsy ankilan’izay koa ho an’ireo miasa tena na manana fandraharahana manokana azy na madinika io na atonony na maventy ny hoe ahoana ny hananana fivelomana na fihariana maharitra? Fa maninona no saika miaina amin’ny hoe ny ho anina anio tadiavina rahampitso ny ankamaroan’ny malagasy, izay raha ny fanadihadiana natao moa dia saika midi-trosa avokoa ny 80% kanefa vao omaly no nilaza ny minisitra misahana ny vola eto amin’ny firenena fa niakatra lasa 5,7% ny harin-karem-pirenena. Mandroso, hoy ny ao anaty fitondrana i Madagasikara. I Madagasikara tokoa ve sa izy ireo irery ? Heverina fa isan’ny azo andraisana valinteny mikasika izany rehetra izany ny nambaran’ireo mpanabe sy mpandraharaha ary mpitarika sendika manaraka ireto. Tsy mandeha intsony eto ny resaka asa mendrika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga. Ao anaty andry miisa 4 amin’io, hoy izy, tsinona ny fanajana ny lalana momba ny asa, raha ny fifanarahana iraisampirenena. Fantantsika tsara nefa eto Madagasikara ny resaka fiahiana sosialy, ao anatiny ny resaka CNaPs. Mandringa io, hatramin’izao mbola tsy misy foana ny tale jeneraly. Tsy mbola eto Madagasikara izany no azo hieritreretana izany asa mendrika izany. Hamafisinay na izany aza ny fitakiana ity tranga mikasika ny raharaha kamarady Sento ity satria ny sehatra iraisampirenena no efa manameloka an’io. Ny fanjakana miziriziry ka atahorana ho lasa ataon’ny orinasa rehetra fanao ka antony tsy hanajanonanay ny tolona, hoy hatrany izy.

Tsy mandeha intsony eto ny resaka asa mendrika, hoy ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly, Barson Rakotomanga
AZA MIANDRIANDRY FA ATOMBOY AVHY HATRANY
Ny malagasy dia nozarina niandry, hoy ny mpampianatra momba ny fanabeazana mahaolona na «développement personnel» sady mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany, Durlin Retogniane, hany ka lasa kolontsaina eto amin’ny tanàna ny miandry. Tsy maninona io na miandry adiny iray na roa andro na telo volana, eny fa na dimy taona aza dia tsy maninona fa andrasana ihany, hoy izy. Na ny ohabolantsika aza dia manamafy izany toy ny hoe “izay maharitra vadin’andriana” sy ny hoe “Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany”. Ilay miandry eo ihany fa hiandry mandra-paha oviana? Hiandry ho feno ve ny fepetra rehetra? Hoy aho hoe “Aza miandry ny fepetra rehetra ho feno vao hanomboka fa atomboy avy hatrany mba ho feno ny fepetra rehetra”. Efa manana ny ampy rehetra ilaina ianao mba hiampitanao amin’ny dingana manaraka. Raha vao manomboka sy manome lanja ireo akora izay efa eo am-pelatananao ianao dia manomboka eo ilay fiovana ara-toetsaina sy fandrosoana. Tsarovy fa rehefa tsy ampiasainao ireo akora efa eo am-pelatananao dia ho very izany ka hanomboka hanome tsiny ny hafa ianao. Maninona tokoa moa ireo olona manana kilema no mahavita zavatra mihoatra lavitra noho ireo olona tsy manana kilema? Maninona ireo olona manana kilema tsy mifantoka amin’ny kilemany fa mitrandraka hatrany sy mampiasa ireo akora izay ananany hirosoana bebe kokoa amin’ny fiainany? Raha tsorina dia, lany amin’ny fitadiavana paikady hirosoana ny fotoanany fa tsy sanatria lany amin’ny fitarainana lava. Izany no antony hanabeazanay ny mpianatray ny toetsaina atao hoe «Think BIG». Ny B dia hoe «Book» na boky. Ny olona natao ho mpitarika fa tsy miandry dia tia mamaky boky. Ny I dia hoe «Individual», izany hoe fahaizana mitondra tena, ary ny G dia hoe «goal» na tanjona satria ny fananana tanjona no mampandroso, hoy hatrany ny tenany.
Durlin Retogniane : « Aza miandry ny fepetra rehetra ho feno vao hanomboka fa atomboy avy hatrany mba ho feno ny fepetra rehetra »
MILA MIEZAKA MANATSARA NY KALITAO
Ny hitako tena olana amin’ilay asa tanana malagasy kosa, hoy ny mpandraharaha mpisehatra amin’ny famokarana izay asa tanana malagasy, indrindra, kolontsaina tagnala izay, Yasimbola Titiana, dia ny tsy fahampian’ny akora fototra. Tsy maharaka ny tinady ny tolotra, hoy izy. Betsaka ireo avy any ivelany sy ny eto amintsika no efa manjifa ny vita malagasy saingy rehefa tsy ampy ny akora ampiasaina dia miantona avokoa ny zavatra tokony atao. Ny vahaolana dia ny mamboly ireo akora azo sy tokony ho azo avadika fitaovana vita malagasy. Raha ampy ny akora dia maharaka ny tolotra sy ny tinady dia mitohy foana ny asa ka tsy hanahirana intsony ny hoe ny ho hanina anio tadiavina anio. Mila miezaka mafy manatsara ny kalitao mba hahafahana mandresy lahatra ny mpampiasa vola sy izay mety ho mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany ny tenany.
SARY 3 : Yasimbola Titiana
Nanangona sy Nandrindra : J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap