airtel

Sosialy

05-sept-2025

FOARA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAMBOLENA

Nisokatra omaly, nahavory olona marobe sahady

Sample post image

Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 04 Septambra

05-sept-2025

eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana eny Ivato, haharitra 4 andro ny Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny jono andiany fahafito arahin'ny Festival iraisam-pirenena momba ny sakafo karakarain'ny Madavision. Mahatratra 300 isa ireo trano eva mandray anjara amin'izany, raha miisa 250 isa kosa ireo nisoratra anarana. Tanjon'ny mpikarakara ny hampifandray sy hampifanatona ireo mpamokatra eny ifotony sy ireo mpividy hisorohana ny elanelana misy.Toraka izany koa ny mba hahafahana mamatsy sakafo vaovao lalandava ny mpanjifa. Tonga nanokatra ny lanonana ny avy eo anivon'ny Ministeran'ny fambolena izay nanantitrantitra ny mahazava-dehibe ny hetsika tahaka izao hanatsarana ny toe-karem-pirenena. Nahafa-po sahady ny hamaroan'ny olona tonga nitsidika omaly andro avolihany. Tsiahivina fa hisy ny fampisehoana maimaim-poana hataon'ny Samoela hampiavaka ity foara ity rahampitso Sabotsy manomboka amin'ny 06 ora hariva. Misy koa ny fiara mitatitra maimaim-poana ny rehetra izay nanomboka omaly niainga teny Anosivavaka. 8.000 Ar kosa ny vidim-pidirana ho an'ny rehetra. Tsy misy ahiana ny parking sy ny fitandroana ny fandriampahalemana hoy ny tompon'andraikitra.
Pati
Légende : Nandritra ny fanokafana omaly !

 

Dans la même rubrique