airtel

Sosialy

01-mars-2024

FOFIFA_Fambolem-bary

Hamokatra masomboly manampy ny fiarovana amin’ny aretikibo

Sample post image

Mankalaza ny faha-50 taona nitsanganany ankehitriny ny "FOFIFA"

01-mars-2024

na Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny taom-pankalazana, omaly 29 febroary 2024, tetsy amin’ny
Lanonana izay teo ambany fitarihin’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Andriamatoa Ratohiarijaona R. Suzelin, sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiantifika ary notron’ireo mpiara miombon’antoka maro. Hisy ny fambolen-kazo izay hotanterahana ny 6 martsa 2024 ao ihany koa ireo hetsika maro samy hafa izay ho tanterahin’ny fianakavim-ben’ny FOFIFA hatramin’ny voalohan’ny taona 2025, izay hiafaran'ny taom-pankalazana. Momba ny fikarohana ara-pambolena kosa, hamoaka karazana vary vaovao ny FOFIFA afaka herinandro vitsy, raha ny nambaran'ny tale jeneraly misahana ity foibem-pikarohana ity, Razafinjara Aimé Lala, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Ny mahasamihafa azy amin'ny vary sasany dia noho izy ahitana ''Zinc'' bebe kokoa. ''Zinc'' no natevenina satria manampy be amin'ny fiarovana amin'ny aretikibo izay mateti-pitranga tato ho ato, indrindra ho an'ny zaza. Anisany ilofosan'ny FOFIFA ny fanatevenana ny singa be hotrikaina amin'ny vary mba tsy hahavoky ny kibo fotsiny fa hapitombo hery sy hitondra fahasalamana ho an'ny vatanolombelona iray koa, ka amin'ny alalan'ny fikarohana no ahafahana manao izany, hoy hatrany ny fanazavana. Anisan’ny imasoana ihany koa amin’izao ny fikarohana hiadiana amin’ny aretim-bary,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap