airtel

Sosialy

21-juin-2023

Sosialy

Fokontany 10 eto an-drenivohitra Notolorana bodofotsy ireo fianakaviana sahirana

Sample post image

Amin’izao an-katoky ny fetin’ny Asaramanitra sy ny fiatombohan’ny vanim-potoana ririnina izao dia nizara bodofotsy

21-juin-2023

maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana sahirana manerana ireo fokontany miisa 10 eto Antananarivo renivohitra ny orinasa STAR izay niarahany tamin’ny Consulat de Monaco.Tamin’ity taona ity dia ireo fianakaviana hahitana reny miahy tena, reny mananon-tena, olona marefo manana zaza latsaky ny 5 taona avy amin’ny Fokontany Ambohimanandray, Ankorondrano Andrefana, Ambodiakondro, Ambohibao Iavoloha, Analakely, Ambodifakarana, Andranonahoatra, Itaosy, Ambohitrarahaba, Sabotsy Namehana no nahazo izany bodofotsy firakotra mafana izany. Niantohan’ny STAR iray manontolo ity hetsika fizaràna bodofotsy ity ary ny fanomezana izany isaky ny fokontany kosa no nanampian’ny Consulat de Monaco. Raha araka ny fantatra moa dia hahazo bodofotsy koa ireo faritra mangatsiaka misy ny orinasa STAR raha PPN kosa ny an’ny hafa. 70 isa isaky ny faritra no hisitraka izany, raha araka ny fanazavan-dRtoa Seheno Randriambolamanana, Talen'ny Serasera eo anivon’ny orinasa STAR.
Pati
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoriana

Card image cap