Ao amin’ny Fokontany mihitsy izy ireo no mipetraka saingy mbola hifampitadiavana ny haninko haniny. Raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana dia efa mahazatra azy ireo ny mandray traboina tahaka izao isan-taona. Raha vantany vao avy tsy mitsahatra mantsy ny ranon’orana rehefa volana janoary tahaka izao dia miakatra ihany koa ny rano avy amin’ny tata-drano C3 izay mandalo eny amin’iny faritra iny. Tonga sy mamantana any an-tranon’olona avy hatrany izany, antony mampitombo haingana ny isan’ireo traboina ao an-toerana. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hanokatra matetika ny lakan-dranon’ny C3 araka izany ireo mponina eny an-toerana no sady hitady lalan-kafa hamoahana ny rano ihany koa. Ankoatra ny gripa mahery moa dia mahazo ireo mponina traboina ihany koa amin’izao ny aretin-kibo sy ny tongotra masaka vokatry ny filonana anaty rano tsy miato.
Pati
Tamin’ny heriny no nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra moa ny
Nihaona tamin’ny firenena mikambana tetsy amin’ny foiben’ny firenena
Mitombo ny tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena.