tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sosialy

Fokontany Anosipatrana Atsinanana Tsy misy mpijery ireo traboina, tonga hatrany an-trano ny maloto

Tsy misy mpijery ireo traboina etsy amin’ny Fokontany Anosipatrana Atsinanana, kaominina Antananarivo renivohitra.

31-janv-2023

Sample post image

Efa ho andro maromaro anefa no niainan’izy ireo tao anaty rano izay marihina fa mifangaro amin’ny maloto mihitsy. Saika nihoatra avokoa mantsy ireo trano fivoahana eny an-toerana ka nampitsingevana ireo maloto avy ao anatiny ho tonga hatrany an-tokantranon’ny mponina. Tsy hita intsony araka izany izay hilazana ny endri-piainana hiainan’ireo mponina ao amin’ity Fokontany iray ity. Gony amboarina sy hatohitohy kely miampy hazo no hatao karazana tetezana kely hivoahana ny tanana raha tsy maintsy hivoaka dia tahaka izany hatrany. Ankoatra ity fiainana anaty rano ity moa dia fantatra ihany koa fa niaina tao anatin’ny haizina tanteraka ireto mponina traboina ireto nanomboka ny Alarobia teo. Tsy nirehitra mihitsy ny herinaratra teny an-toerana hany ka nanjaka ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary mba hijery azy ireo ireto traboina etsy Anosipatrana Atsinanana ireto.

Pati

 

Dans la même rubrique

Voir plus