airtel

Sosialy

24-janv-2024

GLOBO VISION-ADY AMIN’NY FAHANTRANA

« Mila ezaka ny vahoaka fa tsy hiandry fanjakana fotsiny »

Sample post image

Ny fahantrana no anisan’ny fahavalo iombonana tokony

24-janv-2024

hiadivan’ny rehetra fa tsy olona raha tiana handroso i Madagasikara. Ho an’ny vahoaka tsy mandady harona dia mila ezaka izy ireo fa tsy hiandry fanjakana fotsiny ihany raha araka ny hevitry ny Globo vision developpement a Madagascar tarihin’ny filoha tale jeneraliny Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle. Ho an’ny fanjakana indray hoy izy ireo dia tsy vitan’ny fisehosehoana ivelany fotsiny ihany izany fa mila mahafantatra ny tolotra sy ny tinady, ny fitsinjovana ny mahaolona ary indrindra fitondran-tena mendrika. Mila mahalala ny tsiny sy ny tody ihany koa ary ny fisian’Andriamanitra. Izany no antom-pisian’ny Globo vision. Manana ezaka ny filoha hoy izy ireo saingy tsy mety kosa raha tsy hitany ireo tena olana fototra hahafahana miady amin’ny fahantrana eto amintsika. Antony mandiso fanantenana sahady ireo mpanara-dia azy izany raha araka ny fahitan’ny Globo vision azy ka tokony hanetsehany olona maro manana traikefa, izay tsy voatery omena seza na toerana fa hijery manontolo ny resaka sosialim-bahoaka kosa. Tsy asa fotsiny no tokony omena ny olona fa ilaina ihany koa ny famoronan’asa hoy izy ireo satria tsy ampy intsony ny karama isam-bolana vokatry ny fitontongan’ny sandam-bola Malagasy. Nandefa fanasana any amin’ireo Masivoho misy eto amintsika , ny Ministera, ny Prezidansa ….izy ireo omaly hahafahany mizara izany hevitra tsara hananany hahafahana miady amin’ny fahantrana eto Madagasikara izany.
Pati
Legende : Vonon-kiady amin’ny fahantrana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Globo Vision Developpement a Madagascar !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap