airtel

Sosialy

19-mai-2025

Hafanan’ny tany hiakatra 1,5% hatramin’ny 2100

Ny 60,9% amin’ny zaza Malagasy no hizaka ny ngidiny…

Sample post image

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

19-mai-2025

Protecting Children's Rights in a Changing Climateé » nataon’ny Save the Children sy ny Vrije Universiteit Brussel (VUB), fa manodidina ny ampahatelon’ny ankizy 5 taona ankehitriny no hisedra hafanana tafahoatra sy tsy mbola nisy toa azy mandritra ny androm-piainany raha tonga amin’ny fiakaran’ny maripana 1,5°C alohan’ny 2100 ny planeta tany. Raha eto Madagasikara, 60,9 %-n’ireo zaza teraka tamin’ny taona 2020 no hiharan’ny onjan’ny hafanana tsy mbola nisy toa azy mandritra ny androm-piainany raha manafana an’io 1,5°C io ny tany. Raha mitombo ho 2,7°C izany hafanana izany, dia 99,6 % ny ankizy no ho voakasika. Ary raha 3,5°C no fiakaran’ny maripana, dia ho 99,9 % ny ankizy. Izany no fanazavan’i Tatiana Dasy, Solontenan’ny Save the Children eto Madagasikara, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omamu. Anisan’ireo vahaolana natolotra mba hampihenana haingana ny fiakaran’ny hafanana eto an-tany ny: fampitomboan’ny famatsiam-bola hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, fametrahana paikady ifotony mifantoka amin’ny ankizy, fanomezana sehatra ho an’ny ankizy handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny tontolo iainana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap