fifanakalozam-bola tapaka amin’ny alalan’ny finday tato ho ato izay, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa mampiasa izany tato anatin’ity herinandro ity. Nampikaikaika ny maro izany omaly tontolo, raha ny fitarainan’ireo mpanao fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny MVola sy ny orinasam-pifandraisan-davitra Yas, ohatra. Tsy nisy izay tsy sorena rehefa niharan’izany ary maro ihany koa ireo nalaim-panahy nihevitra fa halatra amin’ny fomba mihajan’ireo orinasam-pifandraisan-davitra mihitsy ity fahafaha-manao fifanakalozam-bola mihitsoka ity. Andrandraina, araka izany, hoy ireo fanehoan-kevitra, ny mba hisian’ny fandraisana fepetra manokana amin’izay lafiny izay, indrindra, ao anatin’izao rafitra vaovao ambara hitondra fanovàna sy fanorenana ifotony eto amin’ny firenena izao.
J. Mirija