airtel

Sosialy

28-janv-2026

Hetsika «Mifampitsinjo» tao Mahamasina

Tsy voaloan’ny Fitondrana Rajoelina ny 629 tapitrisa Ariary

Sample post image

Nampahatsiahy omaly ireo mpamatsy

28-janv-2026

miisa 27 nandritr’ireny hetsika «Mifampitsinjo» natao tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny 30 sy 31 Aogositra hatramin’ny 1 septambra, izay nokarakarain’ny fitondràm-panjakàna teo aloha, ireny fa faritra miisa 7 niaraka tamin’Antsirabe no nanatanterahina io hetsika io. Ny 30 septambra teo, hoy izy ireo, no daty nifanarahana handoavana ny vola. Mbola tsy misy voarain’ireto mpamatsy na «fournisseur» ireto ny volany, 4 volana aty aoriana. Notahian’Andriamanitra ny mpamatsy mba tsy isan’ny voaroba tanatin’ireny grevy ireny nefa mahatsiaro ho voaroban’ny fanjakàna kosa ankehitriny. Nanery anay ankolaka ianareo ry andriamatoa minisitry ny varotra tamin’izany fotoana izany, hoy ihany ireto mpamatsy ireto. Ekenay fa mbola tsy tamin’ny toeranao ianao tamin’izany nefa heverina fa andraikitrao ny fitohizan’asan’ny teo aloha. Niteny ny filohan’ny fanavaozana hoe henoy ny vahoaka, ireo no mpampiasa antsika. Mbola isan’ireo vahoakanao izahay ka mba henoy ny fitarainanay. Mijaly andro aman’alina izahay satria mila hikatona ny magazainay. Isan’ireo mpivarotra amoron-dalana ihany koa izahay fa tsy ireny mpamatsy be ireny. Tsy ampy ny teo am-pelantanana nahafahanay nanao ny ezaka. Nanao ny fomba rehetra izahay ho fanampiana ireo zaza malagasy hahazo fitaovam-pianarana. Io no foto-pivelomanay. Hamelomanay ireo vady aman-janakay. Niezaka nandeha teny Iavoloha koa izahay tao anatin’izay 3 volana nitondrànao izay. Nampanantenana izahay fa alohan’ny taona 2025 no andoavana izany kanjo fampanantenana poakaty no azo. Vaovao indray ity ny taona. Mitohy ny fitakiana. Nezahana foana ny nandeha teny Iavoloha. Nilaza ny filoha Lucien Rameharimanana fa amin’ny aprily indray no hanefàna izany. Sanatria ve izany izahay higadra? Tsy hihinan-kanina ireo zanakay. Hikatona ihany koa ny tsenanay. Niezaka nanao ny fomba rehetra izahay mba hihaonana mivantana amin’andriamatoa filoha. Nametraka fangatahana ny 13 janoary 2026, izay nahazo ny laharana 212. Mbola tsy nahazo valiny sy tsy voaray nefa hatramin’izao. Hitanay amin’ny haino aman-jery fa manao asa sosialy eto amin’ny faritr’i Madagasikara ianao. Isan’ny mba asa nataonay tamin’ny vahoaka malagasy izany varotra mifampitsinjo izany. Miangavy mba henoy ny fitarainanay! Eo koa ianao andriamatoa filohan’ny antenimieram-pirenena, izay nilaza tamin’ny haino aman-jery fa raha misy olona manana vola amin’ny fanjakàna dia afaka mifanatona sy mifampiresaka. Izay no itarainanay aminareo mpitondra amin’izao mahazo anay izao. Noterena an-kolaka nanao iny varotra mifampitsinjo iny izahay satria hoe ny 50% dia ho alohan’ny fanjakàna fa ny 50% kosa dia ho azo amin’ireo nanjifa ny entanay. Amintsika miteny izao nefa dia mbola tsy azonay izay vola 50% tokony nomen’ny fanjakàna izay. Mitentina 629 tapitrisa Ariary no vola anananay amin’ny fanjakàna malagasy. Nisy fifanarahana na «convention» nosoniavina tao. Nisy koa ny taratasy avy amin’ny minisiteran’ny varotra. Teo koa ny fifampiresahana tamin’ny minisitry ny varotra teo aloha, izay narahana fivoriana mihitsy, hoy hatrany izy ireo mikasika ity hetsika nokarakarain’ny fitondràna Rajoelina sy ny vola 629 tapitrisa Ariary tsy voaloha tamin’izany fotoana izany ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Ampiana sy tohanana ireo tanora mitady

Card image cap
06-mars-2026

no lohalaharana eto amintsika

Card image cap