airtel

Sosialy

17-janv-2023

Sosialy

Ivato sy Talatamaty Orinasa afaka haba maromaro no narahi-maso tampoka

Sample post image

Orinasa afaka haba maromaro no nanaovan’ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa fidinana tampoka omaly teny Ivato sy Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo teny.

17-janv-2023

Raha araka ny fantatra mantsy dia maro ireo fitarainana azo avy amin’ireny mpiasan’ny orinasa afaka haba ireny indrindra fa ireo misehatra amin’ny zaitra toy ny fampiasana mafy azy ireo loatra, ny tsy fanomezan’ny mpampiasa karama ny sasany... indrindra fa ho an’ny vehivavy. Tanjon’ity ministera iray ity rahateo amin’ity taona 2023 ity ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Tsy hitsahatra moa izao fidinana ifotony izao fa hitohy hatrany amin’ny faritra raha araka ny fantatra hatrany. Hojerena koa araka izany ny sehatry ny varotra izay maro olo-pirenena manao asa tsy ara-dalàna.Mikasika ny Faritra Anosy sy SAVA manokana dia fantatra fa hitsirika manokana ny fampiasana ireo zaza tsy ampy taona eo amin’ny sehatry ny lavanila sy ny fitrandrahana ela-drano izy ireo. Orinasa miisa 455 raha kely no mbola hotetezin’ity Ministera ity hahafahana manafoana ireo karazana herisetra mahazo ny mpiasa eto amintsika.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny

Card image cap