airtel

Sosialy

21-oct-2025

KAOMININA AMBOHIMANGA ROVA

Nijery ny olan'ny rano ny Ben'ny tanana

Sample post image

Tena manana olana amin'ny rano fisotro

21-oct-2025

madio ireo mponina ao amin'ny kaominina ambanivohitr'Ambohimanga Rova, distrikan'Avaradrano. Nandeha nijery ifotony izany tao Ambatondradana ny Bèn'ny tanàna Rajaonarivo Sedera Gunther sy ireo mpiara-miasa eo anivon'ny kaominina ny faran'ny herinandro teo. Fantatra tamin'izany fa ritra ny rano ary misy tsentsina ihany koa ny fantsona na ny "tuyau" hany ka very fotsiny ny rano izay tokony ho sitrahan'ny mponina any an-tokantrano. Tsy niandry ela moa fa teo noho eo ihany dia efa niantso ny tompon'andraikitra ny Ben'ny tanana ny mba hijerena vahaolana maika izay tokony ho andraikitry ny ADMR. Mikasika izay rano izay ihany dia efa manamboatra paompin-drano vaovao ao amin'ny fokontany Iavoambony sy Manankasina n'y kaominina ankehitriny. Efa tsy mandeha intsony mantsy ny rano eny ain'ireo Faritra ireo. Efa eo an-dalam-pahavitana ny foto-drafitrasa. Efa mandeha ihany koa ny fanamboarana lakandrano ao Ambodimanda ialana amin'ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra.
Pati
Légende : Ny foto-drafitrasa namboarina !
 

Dans la même rubrique