airtel

Sosialy

30-juin-2026

Kaominina Ambonivohitra Antsirabe

Tsy mahaloa karaman'ny mpiasa, miandry PDS

Sample post image

Misedra olana amin'ny fandoavana

30-juin-2026

karaman'ny mpiasa ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe. Tsy mbola nandray ny karama volana Mey miampy ity Jona hifarana ity ny mpiasa. Misy amin'ireto farany no milaza fa tsy voaray ihany koa ny karama volana Janoary 2026. Raha atontaly dia karama telo volana no tsy azo raha ny tamin'ity taona ity. Tsiahivina fa nametra-pialana ny 11 Mey 2026 ny Ben'ny tanàna tao Antsirabe, Dr Uno. Ny Lefitra lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, ny kolonely Rakotoson Rolland no mitantana vonjimaika nanomboka ny 18 Mey nanaovana ny famindram-pitantanana. Tsy mbola nisy fanendrena Delegasiona manokana, izay andrasan'ny mpiasa hamahana ny olana. Ankoatra ny karama tsy voaloa dia tsikaritra fa manomboka sahirana amin'ny fandraofana fako ihany koa ny Kaominina.
Jean D.
 

Dans la même rubrique