tantsaha mpamokatra avokoa. Mivelona amin’ny asa fiompiana sy fambolena izy ireo izay fantatra fa tokony ho lasa lavitra tokoa raha misy manampy. Antony hananganana ny fikambanan’ny tantsaha ao anatin’ity kaominina ity izany izay misandrahana amina Fokontany miisa 6. Omaly Alatsinainy 16 Jona no notontosaina voalohany ny fivoriana mifandraika amin’izany notarihin’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana Razafindrakotoarinala Solonirina. Tanjona ny hahafahana mampifandray azy ireo amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hitadiavany lalam-barotra….Marihina moa fa vao nahavita ny tatitry ny asa vita tao anatin’ny 100 andro ity kaominina ity ny faran’ny herinandro teo. Betsaka ireo asa vita toy ny fanavaozana ny tobim-pitsaboana CSB ao Ambodifasika Itaosy izay sady novatsiana fitaovana toy ny fanaovana ekografia mba hanalana fahasahiranana. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Loharano no angady nananana sy vy nahitana izany. Mirefy 1500 m ihany koa ny lalana vita manerana ny Fokontany miisa 6 izay natao tara niarahana tamin’ny Ministeran’ny Asa vaventy. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fanavaozana ny biraon’ny kaominina sy ny fametrahana jiro manazava ny tanana.
Pati
Legende : Izy no Razafindrakotoarinala, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanana eo anivon’ny kaominina Itaosy !