ao anatin'ny Kaominina Sabotsy Namehana, distrikan'Avaradrano izay miisa 7.000 eo ho eo. Ankehitriny, manolo-tanana sy manampy azy ireo ny Ben'ny tanana Randrianarivelo Njakanavalona, fanamby napetrany tamin'ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana Ben'ny tanana farany teo. Raha tantsaha mpamokatra miisa 350 no efa nozaraina zezika sy masomboly herinandro vitsivitsy lasa izay dia hitohy anio Zoma 12 Septambra izany fizarana izany izay zezika kankana miampy masomboly hatrany amin'ny 165 T mihitsy. Tanjon'ny Ben'ny tanana ny mba hahafahana manatsara sy mampivoatra ny fari-piainan'izy ireo. Manana tanimbary mirefy 900 ha mantsy ny kaominina Sabotsy ao amin'ny lemak'i Namehana. Tokony ho afaka mamoka-bary 10 T isaky ny ha ireo tantsaha mpamokatra araka izany, indrindra raha manaraka an-tsasany sy an-davany ny fiofanana nomena azy. Tokony hahazo voka-bary 9000 T isaky ny mandeha araka izany izy ireo hoy ny Ben'ny tanana ka sady hanana ambim-bava no afaka hivarotra nefa manana lela-vola ihany koa. Tokony hanana 5 tapitrisa Ar isan-tokantrano izy ireo raha kely hoy hatrany ny Ben'ny tanana. Tsiahivina fa ankoatra ny vary dia afaka mamokatra karazana legioma sy tsaramaso ihany koa ireo tantsaha ao Sabotsy dia miverina mamboly vary indray. Efa nisy ihany koa ny fizarana akoho fakana nofony ho azy ireo miisa 12.000. Hitohy amin'ny fiaraha-miasa matotra sy maharitry ny kaominina mandritra ny 4 taona miaraka amin'ny FAO izany izay arahina Sonia fifanekem-piaraha-miasa mihitsy amin'ny herinandro ho avy io.
Pati
Légende : Randrianarivelo Njakanavalina, Ben'ny tananan'ny Kaominina Sabotsy Namehana !