airtel

Sosialy

20-déc-2022

Sosialy

Kaominina Talatamaty Afa-po tamin’ny ezaky ny Ben’ny tanàna ny tantsaha

Sample post image

Mbola voasokajy ho ao anatin’ny kaominina ambanivohitra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

20-déc-2022

Ny 40 na ny 50% -n’ireo mponina ao dia mbola tantsaha mpamokatra avokoa antony hanohanan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Elie Dominic azy ireo. Tantsaha mpamokatra sy mpiompy miisa 23 indray ny faran’ny herinandro lasa teo no notolorana fitaovam-pamokarana. Efa andiany fahaefatra ity hetsika ity raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana hatramin’ny nitantanany ny tanana. Tanjon’ny kaominina ny mba hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mamokatrabe tokoa no sady manara-penitra. Ankoatra ny fiofanana omena azy ireo mantsy dia notolorana masomboly vary koa izy ireo, fanafody famonoana bibikely ankoatra ireo fitaovana goavambe toy ny charculeuse….Ny kaominina avokoa no niantoka ny vola nividianana izany raha ampahany kely monja no averin’ireo tantsaha. Mijanona ho an’ireto farany madiodio ny fitaovana rehetra aorian’izany. Nomarihin’ny Ben’ny tanàna fa tratrany ny fanambiny ho an’ireo tantsaha mpamokatra ao Talatamaty. Mbola ho arahin’ny kaominina maso ifotony koa mantsy ny fomba fampiasan’izy ireo ireny fitaovana ireny…ka hisy mihitsy ny teknisiana hanoro hevitra ho an’ireo mila izany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap