airtel

Sosialy

04-mai-2026

KAOMINÎNA TALATAMATY

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

Sample post image

Nahazo tohana indray ireo

04-mai-2026

tantsaha mpamokatra ao anatin'ny kaominîna Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo. An-jatony izy ireo no notolorana masomboly vary, fanomezana maimaim-poana avy amin'ny Ben'ny tanana Raharinoasy Elie Dominic sy ireo mpanolontsaina eo anivon'ny kaominîna ny faran'ny herinandro teo. Hetsika efa fanaon'ny kaominîna isan-taona ny tahaka izao. Mahatratra hatrany amin'ny 80% mantsy ireo tantsaha mpamokatra ao anatin'ity kaominîna ity izay mpamatsy ny mponin'Ivato manontolo, Ambohibao eny hatraty an-drenivohitra. Tanjon'ny Ben’ny tanana ny hahafahan'izy ireo mampitombo hatrany ny vokatry vokariny, tsy mionona fotsiny amin'ny mahazatra fa miezaka mampiasa masomboly voafantina sy teknika manaraka ny fivoaran'ny toetr'andro ihany koa. Tsiahivina moa fa misy hatrany ny sehatra omena ireo tantsaha mpamokatra ao Talatamaty isan-taona. Mitafa mivantana amin’ny mpanjifa sy ireo mpiray miombon’antoka no hataon'izy ireo amin'izany amin'ny alalan’ilay hetsika Santa-bary, Santa-bokatra. Amin'ity taona ity dia ny datin'ny 18 -19-20-21 jona ho avy izao no hanatanterahana izany ao amin'ny Aero village Talatamaty.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tanana notronin'ireo tantsaha nandritra ny fanolorana ny masomboly !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Tsy ampy ny karama, mila fepetra iarovana ny sosialim-bahoaka

Card image cap
21-août-2026

Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA

Card image cap
21-août-2026

velon-taraina ny mpiompy

Card image cap
21-août-2026

Tsy misy asa tsy mahavelona izany… »

Card image cap
21-août-2026

Nahazo fampiofanana amin’ny tekinikam-pambolena

Card image cap
21-août-2026

isan'andro raha kely

Card image cap