airtel

Sosialy

03-juil-2026

Karama farany ambany

Mihatra ny fiakarana

Sample post image

in-droa miantoana

03-juil-2026

Navoakan’ny Governemanta malagasy ny 29 jona teo ny fampianarana ny Didim-panjakana laharana faha 2026 1359 tamin’ny 2 jona 2026, mametraka sy mametra ny karama farany ambany. Didy nosoniavin’ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Herinjatovo Aimé Ramiarison, ny Minisitry ny asa Franconie Mac Denis, ka manan-kery manomboka amin’ny 1 martsa 2026. Misy noho izany ny fanonerana karama na “Rappel de salaire” efa-bolana (04 mois), ka anjaran’ny mpampiasa ny mandamina izany. Ao amin’ny sehatra tsy fambolena, ny sokajy M1 1A dia niakatra avy amin’ny Ar 285 000 ho Ar 300 000. Nambara fa mihatra ny fampiakarana indroa miantoana, ka manomboka amin’ny volana Oktobra 2026 dia mbola hisondrotra ho 315 000 Ariary izany. Ao amin’ny sehatra fambolena, ny sokajy mitovy dia lasa Ar 304 300, raha teo aloha dia Ar 290 000. Ny sokajy ambony kokoa toy ny OP3 5B dia niakatra avy amin’ny Ar 410 000 ho Ar 432 100 (tsy fambolena) ary avy amin’ny Ar 420 000 ho Ar 438 300 (fambolena). Raha ampitahaina amin’ny didim-panjakana navoaka tamin’ny 2024, dia hita fa miakatra eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 10 % ny karama farany ambany amin’ny sokajy rehetra. Ity didim-panjakana vaovao ity dia miorina amin’ny Lalàna laharana faha 2024 014 momba ny lalàna mifehy ny Asa, ary manafoana ny didim-panjakana taloha, anisan’izany ny faha 2024 794 tamin’ny 2 aprily 2024. Ho fanazavana ireo andininy voalaza sy ho fiatrehana ny fanamby iraisana amin’ny fanatsarana hatrany ny fiainan’ny mpiasa, nisy ny fihaonana teo amin’ny MTEFoP na ny Minisiteran'ny asa sy ireo solontenan’ny mpiasa mivondrona ao amin’ireo fikambanana sy sendika mikatroka manerana ny Nosy, omaly talata 2 Jolay 2026 tao amin’ny Minisitera 67Ha, hoy ny seraseran'io Minisitera io. Namafisina fa manomboka ny voalohan’ny volana Marsa 2026 no mihatra ny fiakarana, izay tsy maintsy hisian'ny "rappel" na fanonerana ny fiakarana tao anatin'ny 4 volana. Hanara-maso ny fampiharana ny voalazan’ny didim-panjakana ny MTEFoP, ka hanao fitsirihana. Nifanandrify tamin'ny fihetsiketsehana nataon'ny Randrana Sendikaly omaly ny fivoahan'ity didy ity an-tserasera. Etsy ankilany, ny orinasa sasany dia manahy ny fitomboan’ny fandaniana, nefa manaiky fa mety hanampy amin’ny fitomboan’ny fihinanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

Hiezaka hahaleo tena fa tsy hiantehatra mpamatsy vola...

Card image cap
16-juil-2026

fanondrahana ireo tanimbary

Card image cap